Zôdiaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy votoatiny
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-257:
 
==== Ny fanandroan'eva ====
Ny fanandroan'eva na fanandroa-mikisaka (frantsay: ''astrologie tropicale'') kosa dia miankina amin'ny fizaran-taona faritan'ny toerana misy ny [[Masoandro]] miohatra amin'ny [[Tany]]. Ity fanandroana ity no be mpampiasa indrindra amin'ireo Tandrefana na dia efa tsy mifanaraka amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka intsony aza ny [[evan'ny zodiaka]].
 
Miteraka olana ny tsy fahafantarana ny fisian'ny zodiaka roa. Ohatra, ny olona iray teraka ao amin'ny evan'ny ''[[Adimizana]]'' (23 Septambra - 22 Oktobra) dia tsy teraka ao amin'ny fotoan'ny antokon-kintana ''Adimizana'' (30 Oktobra - 20 Novambra) fa ao amin'ny an'ny antokon-kintan'ny ''Asombola'' noho ny tsy fifanarahana misy amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny evan'ny zodiaka. Toy izany koa raha misy olona lazaina fa teraka manandrify ny evan'ny ''[[Alakaosy]]'' (23 Novambra - 21 Desambra) dia tsy teraka amin'ny antokon-kintan'ny Alakaosy fa amin'ny antokon-kintan'ny ''Alakarabo'' izy raha ny tena marina.