Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''[[Fanandroana malagasy|fanandroana malagasy]]''' dia endriky ny [[fanandroana]] ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray ampifandraisina amin'ny toerantoerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, indrindra ny [[Volana]], araka ny [[Tetiandro malagasy|tetiandro nentin-drazana malagasy]] sy ny fifandraisan'izany amin'ny ho toetr'ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany fifandraisana izany no atao hoe vintana. Ambaran'ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin'ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin'ny alalan'ny [[fanalana vintana]] raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintan-dratsy io. Tsy ny vintana mifandray amin'ny [[Volana]] sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin'ny [[andro]] ao amin'ny [[herinandro]] sy ny fizaràn'ny andro, ka hatramin'ny tonon[[fizaran-taona]] sy ny [[taona]] koa. Manampy izany ny lafin[[Lafin-tany|lafintany]] (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny [[rivotra]], ny [[afo]] ary ny [[rano]] sns. Noho izany dia tsy ny fotoana ihany no sahanin'ny fanandroana malagasy fa ny erana koa.
 
Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin'ny mpanandro teo amin'ireo [[andriana]] taminamin'ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tao Imerina teo antenantenan'ny taonjato faha-19 dia nahay nanandro ny iray ampahatelon'ny olona<ref><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in ''Madagascar fenêtres'', 2002, p.93.</small></ref>.
 
Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin'ny ray aman-dreny na talenta avy amin'ny [[Zanahary (anaran-tsamirery)|Zanahary]] ny fanandroana. Ilain'ny Malagasy ny mampijery mpanandro alohan'ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantatra na hitokana zavatra, handevina sns.
 
Raha tiana ho azo ny fanandroana malagasy dia tokony havahana ny hoe [[antokon-kintana]] sy ny hoe vintana ary ny hoe [[tetiandro]]. Mifandray tanteraka amin'ny tetiandro ny vintana. Ny fifandraisana misy eo amin'ny [[antokon-kintanakintan'ny zodiaka]] sy ny vintana dia efa tsy hentintra intsony noho ny fanandroana sy ny tetiandro malagasy manara-bolana fa tsy manara-kintana na manara-masoandro.
 
== Ny andro ao amin'ny herinandro ==