Joany Apôstôly: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-12:
Mpanjono ao amin'ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy na Galilia na Genesareta) izy nefa nandao ny haratony fa hanaraka an'i Jesoa sahala amin'i [[Petera]] sy i [[Andrea (apostoly)|Andrea]] (Mar. 1.16-20; Mat. 4.18-22; Lio. 5.1-11). Araka ny [[Filazantsara araka an'i Marka|Evanjelin'i Marka]] dia nomen'i Jesoa ny anarana hoe Boanergesy ("zana-baratra") izy sy i Jakoba rahalahiny (Mar. 3.17).
 
I Petera sy i [[Jakoba zanak'i Zebedio|Jakoba]] ary i Joany dia niaraka tamin'i Jesoa teo an-tendrombohitra tamin'ny fotoan'ny [[Fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra|fiovan-tarehy]] (Mar. 9.2; Mat. 17.1; Lio. 9.28).
 
I Joany dia isan'ireo mpianatra niaraka tamin'i Jesoa tamin'ny fanasitranana ny renin'i Petera (Mar. 1.29) sy ny fanasitranana ny zanakavavin'i Jairo lehiben'ny [[sinagoga]] (Mar. 5.37; Lio. 8.51).
Andalana faha-25:
"Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba" (Asa 1.13).
 
Nanatrika ny nanasitranan'i Petera lehilahy malemy tongotra mpipetraka eo amin'ny vavahady Itsaraendrika fidirana ao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] i Joany teo amin'ny vavahady ka nidera an'Andriamanitra. Nahavory vahoaka betsaka izy ireo tamin'izany (Asa 3.1-11).
 
Nisambotra an'i Petera sy an'i Joany ny mpisorona be sy ny [[Sadoseo]] noho izy ireo nanao fahagagana tamin'ny anaran'i Jesoa ka nitondra azy teo anatrehan'ny [[Sanedrina|Sinedriona]] (Asa 4.1-19).
 
Nalefa tany [[Samaria]] izay efa nitoriana ny filazantsara i Petera sy i Joany ka nametra-tanana tamin'ny olona mba hilatsahan'ny [[Fanahy Masina]] (Asa 8.14-25).
 
=== I Joany apostoly sy ny Filazantsaran'i Joany ===
Ny tsy fahitana ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Evanjelin'i Joany]] ireo sombin-tantara andraisan'i Joany zanak'i Zebedio anjara ao amin'ny [[Filazantsara sinoptika|Evanjely sinoptika]], toy ny fananganan-ko velona ny zanakavavin'i Jairo na ny fiovan-tarehy teny an-tendrombohitra, dia mampanontany tena ny amin'i [[Jaona (evanjelistra)|Joany avanjelista]].
 
== Ireo soratra lazaina fa asan-tanan'i JaanyJoany napostolyapostoly ==
Ny [[lovantsofina]] kristiana dia manao an'i Joany apostoly ho nanoratra ny [[Evanjelin'i Joany]]. Izany lovantsofina izany dia mampitovy an'ilay "mpianatra tian'i Jesoa" amin'i Joany avanjelista. Lazaina koa fa i Joany apostoly no nanoratra ireo boky mamorona ny atao hoe "tahirin-tsoraratr'i Joany", dia :
 
* ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Evanjely araka an'i Joany]],