Tetiandro joliana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:César Ambrogio Parisi.jpg|vignette|321x321px|I Jolio Kaisara nataon'i Ambrogio Parisi taona 1688-1694.]]
Ny [[tetiandro joliana]] na [[Tetiandro joliana|kalandrie joliana]] dia tetiandro manara-masoandro nampiasaina tany Roma tamin'ny [[Andro Taloha]] izay nampidirin'i [[Jolio Kaisara]] tamin'ny taona 46 tal. J.K. mba hanoloany ny [[tetiandro romana repoblikana]]. Nampiasaina tany Eoropa io [[tetiandro]] io hatramin'ny nanoloana azy amin'ny [[tetiandro gregoriana]] tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-16.
 
[[Kristianisma ortodoksa|Fiangonana ortodoksa]] dimy no isan'ireo mbola mampiasa azy hatramin'izao, dia ny Fiangonana ortodoksan'i Jerosalema, ny Fiangonana ortodoksan'i Rosia, ny Fiangonana ortodoksan'i Makedonia ary ny Fiangonana ortodoksan'i Serbia. Ny faritra sasany any [[Magreba]] koa dia mampiasa ny tetiandro joliana, indrindra ny Berbera ao [[Afrika Avaratra]].
 
Tamin'ny taona 46 tal. J.K. dia nanapa-kevitra i Jolio Kaisara, araka ny toro hevitr'ilay mpahay kintana grika atao hoe Sosigenesy avy any Aleksandria, mba hanao tetiandro vaovao. Ny iray taona ao amin'io tetiandro io dia maharitra 365 andro ho an'ny taona fohy fa 366 andro kosa ho an'ny taona lava isan'efa-taona izay amerenana in-droa ny 24 [[Febroary]]. Tsy ny voalohan'ny volana [[Marsa (volana)|Marsa]] intsony fa ny voalohan'ny volana [[Janoary]] no natao andro voalohany amin'ny taona.
 
== Jereo koa: ==