Advento : Fahasamihafan'ny versiona roa

k
tsy misy ambangovangom-panovana
k (Rohy)
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
k
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Ny Advento no fanombohan'ny [[taom-piangonana]] tandrefana sady manomboka amin'ny Alahady fahefatra alohan'ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin'ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin'ny [[Fiangonana katolika romana|Katolika romana]], ny [[Ortodoksa tandrefana]], ny [[Anglikanisma|Anglikana]], ny [[Loteranisma|Loterana]], ny Moraviana, ny [[Presbiterianisma|Presbiteriana]], ny [[Metodisma|Metodista]]). Raha maharitra efatra herinandro ny fotoam-piandrasana ho an'ny Fiangonana katolika sy Protestanta dia enina herinandro kosa ny fari-potoan'ny Advento ho an'ny Fiangonana ortodoksa noho izy ireo mankalaza ny nahaterahan'i Jesoa amin'ny andron'ny [[Epifania]].
 
Fotoana manetriketrika ny Advento izay anombohan'ny taom-piangonana. Tsy manao fanamasinam-panambadiana ny [[Fiangonana katolika]] mandritra io fari-potoan'ny Advento na Fiaviana io<ref name=":0"><small>"Avent", ''Microsoft Encarta'' 2009. 1993-2008 Microsoft Corporation.</small></ref>. Ny volomparasy no loko litorjika ampiasain'ny Fiangonana katolika sy ny ankabetsahan'ny Fiangonana protestanta, nefa ny Fiangonana anglikana sy ny Fiangonana loterana dia mampiasa ny loko manga.
 
== Fiforonan-teny ==
2 689

modifications