Zôdiaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''[[zodiaka]]''' dia faribolana miendri-pehikibo, tsy hita maso fa eretreretin'ny saina, eny amin'ny bolan-danitra manodidina ny Tany ka ny ivony dia mifanandrify amin'ny toerana misy ny [[Tany]], izany hoe ny lalana omban'ny [[Tany]] manodidina ny [[Masoandro]]. Ny anaran'ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny evan'ny zodiaka amin'ny teny latina dia ireto: ''Aries'', ''Taurus'', ''Gemini'', ''Cancer'', ''Leo'', ''Virgo'', ''Libra'', ''Scorpio'', ''Ophiuchus'', ''Sagittarius'', ''Capricornus'', ''Aquarius'' ary ny ''Pisces''. Misy karazany roa ny zodiaka dia ny zodiakam-panandroana izay atao hoe '''zodiaka mihodinamikisaka''', sy ny zodiaka amin'ny haikintana (zodiakan'ny antokon-kintan'ny zodiaka miampy ny antokon-kintana ''Ophiuchus'') izay atao hoe '''zodiakan-kintana'''. Mitovy anarana ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny evan'ny zodiaka fa tsy mitovy fari-potoana na fari-danitra isehoana na tondroina. Ireto avy ny anaran'izy ireo amin'ny teny malagasy: ''Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo ary Alohotsy''.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''zodiaka'' dia avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''ζωδιακός κύκλος'' / ''zôdiakós kúklos'' izay midika hoe "tsingerin-java-manana aina madinika" na "faribolan-java-manana aina madinika". Ny hoe ζῴδιον / ''zốdion'' dia midika hoe "zava-manana aina madinika" satria ireo antokon-kintana ao amin'ny zodiaka, afa-tsy ny ''Libra'' ("mizana") izay ampahany tao amin'ny ''Scorpio'' ("maingoka") sy ny ''Aquarius'' ("mpanidin-drano"), dia maneho sarin-java-manana aina, araka ny fieritreretan'ny mpandinika kintana sy ny mpanandro amin'ny kintana.
 
== Antokon-kintana sy evan'ny zodiaka ==
 
=== Antokon-kintan'ny zodiaka ===
Ny antokon-kintan'ny zodiaka dia ampahany amin'ny antokon-kintana rehetra izay hoatry ny andalovan'ny masoandroMasoandro sy ireo planetan'ny Masoandro. Ireto ny anaran'ny antokon-kintana telo ambin'ny folon'ny zodiakan-kainkintana amin'ny fiteny latina:
 
* ''Aries'' ("ondrilahy")
Andalana faha-26:
 
=== Evan'ny zodiaka ===
Notsinjaraina ho faritra roa ambin'ny folo mitovy ny zodiaka tamin'ny taonjato faha-5 ka samy manana 30° avy izay mitovy anarana amin'ny antokon-kintana tokony hifanandrifindrify aminy. Ny roa ambin'ny folo amin'ireo ihany no antokon-kintan'ny zodiakam-panandroanazodiakan'ny fanandroana mhazatra. Tsy isany ny ''Ophiuchus.'' Ny Alahamady (latina: ''Aries)'' no eva voalohany izay mifanandrify amin'ny faritry ny lanitra idiran'ny [[Masoandro]] ao amin'ny ekinoksa<ref><small>Ny '''ekinoksa''' dia fotona tokony hampitovy halava tanteraka ny andro sy ny alina (raha tsy niendrika kapila fa niendri-teboka ny masoandro) ka amin'ny 20 marsa (na 21 tsindraindray) sy amin'ny 22 Septambra (na 23 tsindraindray).</small></ref> amin'ny lohataona any amin'ny ila-bolantany avaratra (izany hoe 20 na 21 Marsa) izay fari-potoan'ny taom-baovao tao amin'ireo tetiandro tamin'ny [[Andro Taloha]].
 
Izao ny anaran'izy ireo amin'ny fiteny latina sy malagasy sy arabo ary frantsay:
Andalana faha-102:
Ny zodiakan-kintana dia zodiaka azo avy amin'ny fampifanandrifiana ny faritry ny evan'ny zodiaka amin'ny antokon-kintana mitovy anarana aminy nefa natao izay hampitovy ny haben'ny faritry ny eva tsirairay (30° avy) fa tsy nampitovizina amin'ny faritry ny antokon-kintan'ny zodiaka tsirairay (indraindray mihoatra ny 30°, indraindray latsaka).
 
==== Ny zodiaka mihodinamikisaka ====
Ny zodiaka mihodinamikisaka (na zodiakam-panadroana mahazatra) dia zodiaka tsy manaraka ny fihodin'ny kintana fa manaraka ny an'ny [[Masoandro]] sy ny [[fizaran-taona]] ka misy tsy fitovizany amin'ny zodiakan-kintana. Ny zodiaka mihodinamikisaka no fampiasa indrindra amin'ny [[Fanandroana malagasy|fanadroana]] na dia lazaina fa ny kintana no fototry ny fanandroana. Na dia izany aza dia misy ny fanandroana tena mifototra amin'ny zodiakan-kintana na ny antokon-kintan'ny zodiaka mihitsy ka atao hoe fandroan-kintana.
 
 
==== Inty ny fafana maneho ny tsy fitovian'ny zodiaka roa ireo: ====