Karemy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Namindra sary
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:US Navy 080206-N-7869M-057 Electronics Technician 3rd Class Leila Tardieu receives the sacramental ashes during an Ash Wednesday celebration.jpg|vignette|296x296px|Fanosorana lavenona amin'ny Alarobian'ny Lavenona]]
Ny '''[[Karemy]]''' dia fotoana anaovana fifadian-kanina sy fieken-keloka izay tandreman'ny Kristiana ka maharitra efapolo andro ho fiomanana amin'ny [[Paka (fety)|Paka]] (na [[Paska]]). Tamin'ny taonjato faha-4 no nanombohan'ny [[Kristianisma|Kristiana]] nanao fifadian-kanina amin'ny Karemy ka 40 andro no faharetan'izany fifadiana izany izay miedrika fanaovana sakafo faran'izay tsotra dia tsotra. Izany dia ahatsiarovana ny fifadian-kanina 40 nataon'i [[Jesoa Kristy]] tany an-tany efitra. Hamaivanina ny fifadian-kanina amin'ny Alahady sy amin'ny andron'ny Andron'i Maria. Mifarana amin'ny fifadian-kanina hentitra kokoa sy fankalazana ny Karemy amin'ny Herinandro Masina.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-9:
 
=== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana tatsinanana ===
Ao amin'ireo [[Fiangonana Tatsinanana|Fiangonana tatsinanana]] dia valo herinandro alohan'ny [[Paka (fety)|Paka]] ny faharetan'ny Karemy ka ny Asabotsy sy ny Alahady dia andro anaovana fety.
 
Araka an'i Alexandre Schmemann, dia ara-panahy indrindraindrindra ny Karemy ka ny Paka no tanjony. Ny maha zava-dehibe sy ny fahenteran'ny Karemy ao amin'ny [[Fiangonana ortodoksa]] dia mifandanja amin'ny fanaovany ho zava-dehibe ny fetin'ny Paka<ref><small>''Le Grand Carême'', Alexandre Schemann, Abbaye de Bellefontaine, 1974.</small></ref>. Amin'ny fetin'ny Paka tokoa no ivorian'ny mpino maro indrindra ao amin'ireo firenena manaraka ny fomba [[Kristianisma tatsinanana|kristiana tatsinanana]] (ortodoksa sy katolika manaraka fomba bizantina); io indraindray no andro fety izay ahatongavan'ny olona maro, eny fa na dia ireo tsy marisika andavanandro aza. Latsa-danja ny andro [[Noely]], tsy tahaka ny miseho any amin'ny firenena tendrefana manaraka ny fomba katolika romana.
 
Ialohavan'ny fotoana fiomanana atao hoe ''Karemy kely'' izay mifarana amin'ny karnavaly ny Karemy ao amin'ireo Fiangonana tatsinanana manaraka fombam-pivavahana bizantina. Manomboka ampitson'ny Alahadin'ny karnavaly, izany hoe ny ''Alatsinainy madio'' (48 andro alohan'ny Paka), ny tena Karemy izay atao hoe ''Karemy Lehibe''.
 
=== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana tandrefana ===
Ao amin'ny [[Kristianisma Tandrefana|Fiangonana tandrefana]] kosa dia ny Alahady ihany no andro fety ka manomboka amin'ny [[Alarobian'ny Lavenona]] ny 40 andro, ka tsy isaina io Alahady io, ary mifarana amin'ny harivan'ny Paka (na Paska).
 
==== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana katolika ====
Ny [[Fiangonana katolika romana]] dia tsy sarotiny ny amin'ny fifadian-kanina. Araka ny fanapahan-kevitry ny papa Paoly VI izay navoaka ho manan-kery tamin'ny taona 1966 dia tsy an-tery ny fanaovana fifadian-kanina sy fifadiana hafa mandritra ny Karemy afa-tsy amin'ny Alarobian'ny Lavenona sy ny [[Zoma masina]].
 
Mampifady hanina ny mpivavaka amin'ny fomba maivana ny Fiangonana katolika amin'ny Alarobian'ny Lavenona sy ny Zoma masina. Nefa amin'ny fampiharana dia sarotra refesina ny fifadian-kanina. Fanampin'izany dia ny fihinana zavatra tsy matavy, izany hoe fifadiana hena sy sakafo misy tavin-kena, amin'ny Zoma dia mbola mitohy<ref><small>[http://www.vatican.va/archive/FRA0037/__P4L.HTM "Les jours de pénitence"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.vatican.va%2Farchive%2FFRA0037%2F__P4L.HTM tahiry]], Code de droit canonique. Site du Vatican.</small></ref>. Amin'ny Alarobian'ny Lavenona no anombohan'ny Karemy izay ialohavan'ny ''[[Talata matavy]]'' sy ny karnavaly (avy amin'ny teny latina hoe ''carnelevamen'' izay midika hoe "esorina ny hena"). Asaina manamarika ny Karemy amin'ny tsy fanaovana zavatra izay tiany, tsy voatery momba ny sakafo fotsiny, ny Katolika.
 
==== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana protestanta ====
Andalana faha-29:
Tsy asain'ny [[Fiangonana nohavaozina]] manao fivalozana na manao fifadian-kanina ny mpino ao aminy, fa ny manantitra ny fitorian-teny sy ny fadinihan-tena no ataony mandritra ny fari-potoan'ny Karemy. Raha indraindray mba manasa ny mpino ao aminy hifady hena ny [[Loteranisma|Fiangonana loterana]] amin'ny Zoma masina, ny Fiangonana protestanta nohavaozina dia tsy manolotra na inona na inona hataon'ny mpivavaka, satria, hoy izy ireo, tsy nametraka toromarika manokana ny amin'izany ny [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apostoly]].
 
Izany tsy fisiananafisianan'ny fampijalian-tena na fivalozana izany dia avy amin'ny fiheverany ny amin'ny famonjena ([[soteriolojia]]) izay misy fahasamihafana amin'ny an'ny Katolika. Ho an'izy ireo dia ny finoana irery ihany (latina: ''sola fide'') no mahavonjy ka tsy ilaina ny hanatanterahana asa fivalozana mba hahazoana famonjena.
 
== Jereo koa: ==