Mosesy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-6:
 
=== Fanoratana ilay anarana ===
Ny teny hoe ''Mosesy,'' izay hita ao amin'ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy|Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy]], dia fanagasiana ny teny latina ''Moses'' izay avy amin'ny teny grika hoe ''Μωσῆς'' / ''Môsês.'' Ny hoe ''Môizy,'' izay hita ao amin'ny [[Baiboly malagasy|Baiboly katolika amin'ny teny malagasy]], dia fanagasiana ny teny frantsay hoe ''Moïse'' izay avy amin'ny teny latina hoe ''Moyses,'' izay avy amin'ny teny grika hoe ''Mωϋσῆς'' / ''Mousês''. Na ny hoe ''Μωσῆς'' / ''Môsês'' na ny hoe ''Mωϋσῆς'' dia avy amin'ny teny hebreo hoe '''''מֹשֶׁה''''' / ''MShH'' izay vakina hoe ''Mosheh''.
 
=== Dikan'ilay anarana araka ny Baiboly ===
Araka ny voalazan'ny [[Baiboly]] ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]] (Eks. 2.10) dia nataon'ny reniny nanangana azy hoe ''Mosheh'' ny anaran'ilay zaza vao teraka satria novonjeny avy tao anaty rano (''MeShTiHoW''). Ny dikan'ny hoe ''Mosesy'' araka ny Baiboly dia "nalaina tamin'ny rano". Avy amin'ny [[matoanteny]] hoe ''mashah'' izay midika hoe "maka", "misintona aty ivelany" na "mamoaka".
 
Ny Hebreo dia manao azy hoe ''מֹשֶׁה בן עמרם'' / ''Mosheh ben Amram'' izay midika hoe "Mosesy zanak'i Amrama" na מֹשֶׁה רַבֵּנוּ / ''Mosheh Rabbenu'' "Mosesy Mpampianatray".
 
=== Fiforonan-teny araka ny fikarohana ankehitriny ===
Misy amin'ny mpikaroka ankehitriny ny mihevitra fa anarana egyptianaegiptiana fa tsy hebreo ny hoe ''Mosheh''. Ny hoe ''Mosheh'' dia mety ho fanononana hebreo ny tapa-teny egyptianaegptiana hoe '''''mss''''' izay midika hoe "zanaka", "miteraka" sns. arakaraka ny fiovaovan'ny [[Zanatsoratra|zanapeo]] (zanatsoratra) ampiarahina aminy. Izany dia hita amin'ireo anarana egyptianaegiptiana maro mitohy amin'ny anaran'ireo andriamanitra egyptianaegiptiana toy ny hoe ''Dhwty-ms'' vakina hoe ''Djehwtymes'' (izany hoe i Toutmoses) ("zanak'i Djehwty" "zanak'i Thot" na "naterak'i Thot"), ''Ra-mssw'' (Ramses) ("zanak'i Râ" na "naterak'i Râ"). Mety midika hoe "zanaka" fotsiny izany ny anaran'i Mosesy. Tsy mipetaka eo ny anaran'ilay andriamanitra manjanaka azy.
 
== Tantaran'i Mosesy araka ny Baiboly ==
Andalana faha-20:
=== Ny fahaterahany ===
[[Sary:Moses - Alta-Tadema.jpg|vignette|269x269px|''Ny nahitana an'i Mosesy'' - nataon'i Sir Lawrence Alma-Tadema, taona 1904]]
Teraka tao Gosena i Mosesy. Zanak'i AmranaAmrama sy Iokebeda. Isan'ny fokon'i [[Levy]] izy. Tamin'ny fotoana nahaterahany dia nisy fandripahana ny zazalahy hebreo vao teraka. Natsipin-dreniny tany amoron'ny renirano Neily (na Nily) ny lakan-kely zozoro nisy azy mba tsy ho fantatra ny maha zanaka hebreo azy (Eks. 2.4; Nom. 26.59). Rehefa tonga handro ny zanakavavin'i [[Farao]] dia nahita ilay zaza ka nampaka azy mba hatsangany ho zanany. Nataony hoe Mosesy ny anarany satria nalainy tamin'ny rano. Ny anabavin'i Mosesy izay nanara-maso azy teny ambony rano ihany no nalain'ilay zanakavavin'i Farao hitady vehivavy hebreo ho mpitaiza ilay zazakely. Nobeazina toy ny zanaka mpanjaka i Mosesy.
 
=== Ny fahalehibeazany ===
Rehefa lehibe i Mosesy dia nahafantatra ny tena firazanany. Nitsidika ny toerana niasan'ny iray firenena aminy izy ka tamin'izany no nahitany ny [[fanandevozana]] sy ny fampahoriana nahazo azy ireo. Namono egyptianaegiptiana nampijaly hebreoHebreo teo am-panompoana izy ka izany no nahatonga azy nandositra tany amin'ny tanin'ny Madianita. Tany amin'ny tany efitr'i Madiana i Mosesy no nifankahita tamin'ny mpisorona atao hoe Jetro (hebreo: ''Yiṯrō'') izay nanome azy ny zananivavy mba ho vadiny.
 
Indray andro raha nankeny amin'ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Horeba|Horeba]] (atao hoe koa [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Sinay]]) izy hiandry ny biby fiompin-drafozany dia nahita ny [[Anjelin'Andriamanitra]] tao anaty lelafon'ny roimemy mirehitra. Avy amin'io roimemy tsy mety may io no nivoahan'ny feon'Andriamanitra izay nanambara taminy ny asa tsy maintsy hataony. Naniraka azy Andriamanitra mba ho any amin'i [[Farao]] hanafaka ny vahoakany avy ao EgyptaEgipta. Tamin'izany koa no nanambaràn'Andriamanitra ny anarany dia i IHVH ([[Yahweh|Iahveh]]).
 
=== Ny fanafahana ny Hebreo avy ao Egipta ===
Nandeha tany amin'i [[Farao]] i Mosesy hanafahana ny [[Zanak'i Israely]] avy ao Egipta sy hitondra azy ireo any amin'ny tany nampanantenaina azy, dia ny tany [[Kanana]]. Nanampy azy ny rahalahiny [[Arona]] (hebreo: ''Aharone'') sady nanao fahagagana maro izy hihainhihainoan'i Farao azy izay nangatahany mba hamela ny [[Zanak'i Israely]] hankalaza ny [[Paska jiosy|Paska]] any an'efitra. Tsy nanaiky i Farao (Eks. 7. 8-13) sady vao mainka nanamafy ny fampahoriany ny Hebreo. Izany fandavana izany no niteraka ireo [[Loza folo tao Egipta|loza folo tao Egipta]] dia
 
# ny niovan'ny ranon'i Nily ho ra (Eks. 7.14-23);
# ny [[sahona]] maro izay nameno ny tany (Eks. 7.26-29; 8.1-11);
# ny niovan'ny vovoka tamin'ny tany ho [[moka]] marobe (Eks. 6.12-15);
# ny nidiran'ny [[lalitra]] tsy hita isa tao an-tanàna (Eks. 8.16-28);
# ny nisian'ny aretinaareti-mandringana nandringananahazo ny biby fiompy (Eks. 9.1-7);
# ny [[Vay (aretina)|vay]] izay nahazo ny olona sy ny biby fiompy (Eks. 9.8-12);
# ny havadra[[havandra]] izay nandrava sy namono (Eks. 9.13-35);
# ny [[valala]] izay nandrakotra ny tany (Eks. 10.1-20);
# ny aizimpito naharitra telo andro (Eks. 10.21-28);
# ny nahafatesan'ny voalohan-teraky ny biby sy ny olona (Eks. 11.1-10; 12.29-32).
 
Maty nyzanaka zanak'i Farao vao izay namela ny Hebreo hivoaka an'i Egipta. Noho ny hamehana dia nitondra [[Mofo tsy misy masirasira|mofo tsy nisymisy masirasira]] izy ireo ka izany no haninyhanin'ny Jiosy isaky ny andro [[Paska jiosy|Paska]] ho fahatsiarovana io fivoahana an'i Egipta io.
 
=== Ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny efitr'i Sinay ===
Rehefa tonga teo akaikin'ny [[Ranomasina Mena]] ny Hebreo dia nahatazana ny miarailan'i [[Farao]] nanenjika azy ireo. Io ranomasina io dia atao hoe ''Yayam-Souf'' "Ranomasin'ny Bararata". Tamin'izany no nanandratan'i Mosesy ny tanany hampisaraka ny ranomasina ho roa hahafahan'ny Hebreo miampita. Nanenjika avy ao aoriana ireo miaramila ireo nefa maty tao anaty ranomasina izay nikombona indray (Eks. 16.15-31).
[[Sary:The Brazen Serpent.jpg|vignette|''Ilay bibilava varahina'' , nataon'i Benjamin West]]
Rehefa tonga tao an'-tany efitra ny Hebreo izay notarihin'i Mosesy dia nisedra ny olan'ny tsy fisian-kanina sy ny tsy fisian-drano ary ny fahafatesana vokatry ny kaikitry ny [[bibilava]]. Namaha izany olana izany Andriamanitra amin'ny fanomezana azy ireo ny mana sy ny papelika sy ny [[Menarana varahina|menarana varahina]] ary ny rano avy amin'ny vatolampy nokapohin'i Mosesy amin'ny tehiny.
 
=== Ny Fanekem-pihavanana tao amin'ny tendrobohitra Sinay ===
Telo volana taorian'ny nivoahana an'i Egipta dia tonga tao amin'ny tany efitr'i Sinay ny Hebreo. Navelan'i Mosesy tamin'i [[Arona]] rahalahiny ny vahoaka mba hiakarany any an-[[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]]. Afaka efapolo andro vao niverina i Mosesy nitondra ny vato fisaka mirakitra ny [[Didy Folo]] nomen'Andriamanitra azy izay fototry ny Fanekem-pihavanana eo amin'Andriamanitra sy ny Hebreo. (Eks. 20.1-17; Deo. 5.6-21). Hitan'i Mosesy fa tsy nino an'Andriamanitra ny vahoaka satria nanamboatra sarin'ombilahy kely volamena hivavahany. (Eks. 32.1-6). Tezitra noho izany i Mosesy ka nazerany ho vaky ireo vato fisaka nisy ny Didy Folo ireo sady nodorany ilay sarin'ombilahy. Nangataka amin'Andriamanitra i Mosesy mba tsy hamelahandao ny vahoakany ka nohavaozina tany an-tendrombohitra indray ilay Fanekem-pihavanana. Nidina avy any i Mosesy rehefa afaka efapolo andro nitondra vato fisaka hafa misy ny Didy Folo (Eks. 34.1-28).
 
=== Tsy tafita tany Kanana i Mosesy ===
Nandeha tao amin'ny tany efitra mandritra ny efapolo taona ny [[Zanak'i Israely]] vao izay tonga teo akaikin'i [[Jeriko]]. Napetrak'i Mosesy tamin'i [[Josoa]] ny fitarihana ny Hebreo sady natolony ny loholona ireo vato fisaka mba hahafahan'izy ireo manohy ny fampianarana sy ny fampanarahana ny Lalàna. Maty teo an-tampon'ny tendrombohitra Nebo i Mosesy rehefa feno 120 taona.
 
'''Ny Torah'''
 
Ny [[Torah]], izay tsy inona fa ny fitambaran'ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, dia ataon'ny lovantsofina fa nosoratan'i Mosesy ka atao hoe "boky dimin'i Mosesy" na [[Pentateoka]]. Araka ny fitsikerana ny lovantsofina ankehitriny dia tsy i Mosesy no mpanoratra azy ireo.
 
== Jereo koa ==