Hezekia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipellina
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Ezechias detail.jpg|vignette|297x297px]]
I '''[[Hezekia]]''' na [[Hezekia|'''Ezekiasa''']] dia mpanjaka tao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]] nandritra ny taona 715-687 tal. J.K. Izy no nandimby an'i [[Ahaza]] (na Akaza).
 
== Ny anarany ==
Ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) dia manoratra ilay anarana hoe חזקיה / ''Hizqiyah,'' ny [[Septanta]] (grika) dia miantso azy hoe Εζεκίας / ''Ézekias,'' ary ny [[Volgata]] (latina) manoratra hoe ''Ezechias''. Ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy|Baiboly protestanta malagasy]] dia manoratra hoe ''Hezekia'' fa ny [[Baiboly katolika amin'ny teny malagasy]] kosa dia ahitana ny hoe ''Ezekiasa''. Io anarananarana io dia midika hoe "mampahery Andriamanitra".
 
== Ny tantarany ==
Ny zava-nitranga tamin'ny andron'i Hezekia dia ny nanafihan'ny [[Asiria|Asiriana]] an'i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]] tamin'ny taona 701 tal. J.K. na dia teo aza ny fikambanany tamin'i Egipta mba hanohitra ny herin'i Asiria. Taorian'io dia niverina ny fahefan'ny Asiriana tamin'ny Jodà ka nampandoaviny onitra be i Hezekia, araka ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 18.13-16).
 
Nanafika an'i Jodà indray i Asiria tamin'ny taona 690 tal. J.K. nefa tsy nahomby izy ireo fa niharam-pahavoazana. Araka ny voasoratra ao amin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka ihany (2Mpanj. 19.35) dia nisy [[anjely]] namono ny miaramila asiriana miisa 185 000.
 
Lazain'ny [[Baiboly]] ho mpanavao ny finoana i Hezekia tamin'ny nanapotehany ny alitaran'ny [[Fanompoan-tsampy|mpanompo sampy]] sy ny nanafoanany ny fanompoam-pivavahana natao amin'ny [[Henoteisma|andriamanitry ny isan-tanana]]. Niara-belona tamin'i Hezekia ny mpaminany [[Isaia (mpaminany)|Isaia]] (na Izaia).
 
== Jereo koa: ==