Jôsefa (vadin' i Maria): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Scuola veneta - Altare di San Giuseppe, già di San Marco - Santi Giovanni e Paolo.jpg|vignette|273x273px|I Josefa mitrotro an'i Kristy ]]
I [[Josefa (vadin'i Maria)|'''Josefa''']] dia lehilahy jiosy izay ambaran'ny [[Filazantsara sinoptika]] fa taranak'i [[Abrahama]] sy ny mpanjaka [[Davida (Baiboly)|Davida]]. Fofombadin'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] izay bevohoka noho ny asan'ny [[Fanahy Masina]] ary avy naka vady an'i Maria taloha kelin'ny nahaterahan'i [[Jesosy]] izy ka lasa ray mpitaiza an'i Jesosy izy fa tsy ray niteraka azy. Asehon'ny [[Filazantsara]] ho "lehilahy marina" izay nandray an'i Maria sy ny zanany izy rehefa nandre ny hafatry ny [[anjely]] [[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]. Mpandrafitra i Josefa, araka ny Filazantsara. Voaresaka ao koa ny niakarany tany Jerosalema tamin'ny faha-12 taonan'i Jesosy tany amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ka izany no niresahana azy farany. Miresaka ny amin'i Josefa koa ny [[Apokrifan'ny Baiboly|boky apokrifa]] sasany.
 
== Ny anarany ==
Ao amin'ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy]] dia ''Josefa'' no iantsoana azy. Nefa misy ny manoratra na manonona hoe ''Zozefa''. Amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia atao hoe יוֹסֵף / ''Iosef'' izy ary amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] kosa dia Ἰωσήφ / ''Ioséph.'' Amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] izy dia atao hoe ''Iosephus''.
 
== Jereo koa: ==