Sokajin-teny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra sy nanisy rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-15:
Ny [[mpamari-toetra]] dia teny ampiraisina amin'ny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Zana-tsokajin'ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] ny mpamari-toetra.
 
==== Ny tambinteny milaza fomba ====
Ny [[tambinteny]] dia teny natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny [[mpampiankin-teny]], ny [[fehezankevitra]], ny [[fehezanteny]] sns ka ny hevitra ambarany amin'izany dia mety ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns. Marihina fa misy sokajin-tambinteny vitsy singa izay voasokajy ho zanateny.
 
=== Ny zanateny ===
Ny [[zanateny]] dia teny tsy azo sarahina amin'ny namany ka tsy afaka mahaleo tena sady atao hilazana ny anjara asan'ny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny. Sokajin-teny maromaro no sikajina ho zanateny, dia ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]], ny [[mpampiankina]], ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]], ny [[mpanoritra]], sns. Miovaova arakaraka ny fiteny sy ny hevitry ny mpahay teny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny zanateny.
 
Miavaka ny zanateny noho izy ireo voafetra isa, sarotra miforona, miasa matetika kokoa ary manana hevitra tsy mazava tsara ny ankamaroany, tsy azo soloana amin'ny mpisolo, matetika izy ireo teny fohy, tokana anjara asa ary mifangaro amin'ny teniatspaonateny iatsoaona ny anjara asany idraindray ny anarany.
 
==== Ny mpanoritra ====
Amin'ny fiteny ahitznaahitana azy, ny [[mpanoritra]] dia teny akambana indrindraindrindra amin'ny [[anarana]] mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty [[fehezanteny]] ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina amin'io anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina amin'ilay teny ikambanany.
 
Tsy ny fiteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isan'ny zana-tsokajin'ny mpanoritra arakaraka ny fiteny. Ny [[Fiteny rosiana|fiteny rosiana]], ohatra, dia tsy manana mpanoritra.
 
==== Ny zanateny mpamaritra ====
Ny zanateny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] dia teny akambana amin'ny anarana ao amin'ny tarika iray ahafahanamba hahafahana mampiasa io anarana io ao anaty [[fehezanteny]] ka mety miaraka amin'ny fanondroana ny [[kilahivavy]], ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny, ny [[Filaza isa (fitsipiteny)|filaza isa]] sns izy. Isan'ny zanateny mpamaritra ny [[Mpamaritra isa|mpamaritra isa]], ny [[Mpamaritra manondro|mpamaritra manondro]], ny [[Mpamaritra manontany|mpamaritra manontany]], ny [[Mpamaritra mampifandray|mpamaritra mampifandray]] ary ny [[Mpamaritra tompon-javatra|mpamaritra tompon-javatra]].
 
==== Ny mpisolo ====
Ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] dia teny maka ny toeran'ny [[anarana]] na ny tarika anarana na ny [[fehezankevitra]] na [[fehezanteny]] iray manontolo koa. Isan'ny sokajin'ny mpisolo ny [[Mpisolo tena (fitsipiteny)|mpisolo tena]], ny [[Mpisolo manondro|mpisolo manondro]], ny [[Mpisolo manontany|mpisolo manontany]], ny [[Mpisolo mampifandray|mpisolo mampifandray]], ny [[Mpisolo tompon-javatra|mpisolo tompon-javatra]], sns.
 
==== Ny mpampitohy ====
Ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]] dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy, dia ny [[Mpampitohy teny|mpampitohy teny]] sy ny mpampitohy [[Mpampiankina fehezankevitra|mpampitohy fehezankevitra]]. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] (sady matetika mitovy sokajy) ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra sasany, izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra kasady milaza ny fifampiakinana misy eo amin'ireo fehezankevitra ireo, dia atao hoe [[Mpampiankina fehezankevitra|mpampiankina fehezankevitra]].
 
==== Ny mpampiakina ====
Andalana faha-41:
 
==== Ny kianteny ====
Ny [[kianteny]] dia teny kely tsy miova endrika manana anjara asa tsy mitovy amin'ny an'ny [[tambinteny]] na ny [[mpampiankina]] na ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]]. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao amin'ny fiteny iray izay ataony hoe ''kianteny''. Kianteny ny hoe ''dia'' sy ''no'' ao amin'ny fiteny malagasy.
 
=== Olan'ny fanasokajiana ho reniteny na zanateny ===
Misy ny teny sarotra sokajina ho reniteny na zanateny. Isan'izany ny [[tenim-piontanana]].
 
==== Ny tenim-piontanana ====