Adijady: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-9:
 
Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] sy [[Fiteny anglisy|anglisy]] hoe ''Capricornus'' na amin'ny teny frantsay hoe ''Capricorne.'' Amin'ny [[fiteny soahily|teny soahily]] dia atao hoe ''Jadi'' na ''Mbuzi'' io antokon-kintana io. Amin'ny [[Fiteny malay|teny maley]] dia atao hoe ''Jadi'' na ''Kambing Duyung'' ihany koa izy.
 
== Ny antokon-kintana Adijady sy ny zodiaka ==
Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny antokon-kintan'ny Alahamady dia manomboka amin'ny 18 Marsa hatramin'ny 13 Avrily. Ny fari-potoan'ny Adijady araka ny [[Zodiaka|zodiakan-kintana]] dia eo amin'ny 15 Avrily hatramin'ny 15 Mey. Ny Adijady ao anin'ny zodiakam-panandroana mahazatra dia ny zodiaka mikisaka (frantsay: ''zodiaque tropique'') dia eo anelanelan'ny 21 mey sy 20 Avrily. Ny volana [[Tetiandro malagasy|Adijady malagasy]] kosa dia miandry tsinam-bolana ka amin'ny taona 2019 dia misy milaza fa manomboka amin'ny 6 Avrily (ka miafara amin'ny 6 Mey) izany.
{| class="wikitable"
|
|<small>'''Alohotsy'''</small>
|<small>'''Alahamady'''</small>
|<small>'''Adaoro'''</small>
|-
|<small>'''Antokon-kintana'''</small>
|<small>11 Marsa - 18 Avrily</small>
|<small>18 Avrily - 13 Mey</small>
|<small>13 Mey - 21 Jona</small>
|-
|<small>'''Zodiakan-kintana'''</small>
|<small>15 Marsa - 14 Avrily</small>
|<small>15 Avrily - 15 Mey</small>
|<small>16 Mey - 15 Jona</small>
|-
|<small>'''Zodiaka mikisaka'''</small>
|<small>20 Febroary - 20 Marsa</small>
|<small>21 Marsa - 20 Avrily</small>
|<small>21 Avrily - 20 Mey</small>
|}
 
== Ao amin'ny fanandroana malagasy ==
Ao amin'ny [[Fanandroana malagasy|fanandroana malagasy]] dia vintana fahafolo koa ny Adijady ka ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria mijadina mafy. Mitrotro ny [[Adalo]] sy mibaby ny [[Alakaosy]] ny Adijady. Mifandratra amin'ny [[Asorotany]] sady mitanila sy miarina eo amin'ny [[Alahasaty]] sy ny [[Adizaoza]] izy.