Zôdiaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''[[zodiaka]]''' dia faribolana matevina eny amin'ny bolan-danitra ka ny ivony dia mifanandrify amin'ny toerana misy ny [[Tany]], izany hoe ny lalana omban'ny [[Tany]] manodidina ny [[Masoandro]]. Ny anaran'ny antoonantokon-kintan'ny zodiaka sy ny evan'ny zodiaka amin'ny teny latina dia ireto: ''Aries'', ''Taurus'', ''Gemini'', ''Cancer'', ''Leo'', ''Virgo'', ''Libra'', ''Scorpio'', ''Ophiuchus'', ''Sagittarius'', ''Capricornus'', ''Aquarius'' ary ny ''Pisces''. Misy karazany roa ny zodiaka dia ny zodiakam-panandroana izay atao hoe '''zodiaka mihodina''', sy ny zodiakan-kaikintana (zodiakan'ny antokon-kintan'ny zodiaka miampy ny antokon-kintana ''Ophiuchus'') izay atao hoe '''zodiakan-kintana'''. Mitovy anarana ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny evan'ny zodiaka fa tsy mitovy fari-potoana na fari-danitra isehoana na tondroina. Ireto avy ny anaran'izy ireo amin'ny teny malagasy: ''Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo ary Alohotsy''.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-26:
 
=== Evan'ny zodiaka ===
Notsinjaraina ho faritra roa ambin'ny folo mitovy ny zodiaka tamin'ny taonjato faha-5 ka samy manana 30° avy izay mitovy anarana amin'ny antokon-kintana mifanandrifindrifytokony hifanandrifindrify aminy. Ny roa ambin'ny folo amin'ireo ihany no antokon-kintan'ny zodiakam-panandroana. Tsy isany ny ''Ophiuchus.'' Ny ''Aries'' no eva voalohany izay mifanandrify amin'ny faritry ny lanitra idiran'ny masoandro[[Masoandro]] ao amin'ny ekinoksa<ref><small>Ny '''ekinoksa''' dia fotona tokony hampitovy halava tanteraka ny andro sy ny alina (raha tsy niendrika kapila fa niendri-teboka ny masoandro) ka amin'ny 20 marsa (na 21 tsindraindray) sy amin'ny 22 Septambra (na 23 tsindraindray).</small></ref> amin'ny lohataona any amin'ny ila-bolantany avaratra (izany hoe 20 na 21 Marsa) izay fari-potoan'ny taom-baovao tao amin'ireo tetiandro tamin'ny [[Andro Taloha]].
 
Izao ny anaran'izy ireo amin'ny fiteny latina sy malagasy sy arabo ary frantsay:
Andalana faha-103:
 
==== Ny zodiaka mihodina ====
Ny zodiaka mihodina (na zodiakam-panadroana) dia zodiaka tsy manaraka ny fihodin'ny kintana fa manaraka ny an'ny [[Masoandro]] sy ny fizaran-taona ka misy tsy fitovizany amin'ny zodiakan-kintana. Ny zodiaka mihodina no fampiasa indrindra amin'ny [[Fanandroana malagasy|fanadroana]] na dia lazaina fa ny kintana no fototry ny fanandroana. Na dia izany aza dia misy ny fanandroana tena mifototra amin'ny zodiakan-kintana na ny antokon-kintan'ny zodiaka mihitsy.
 
==== Inty ny fafana maneho ny tsy fitovian'ny zodiaka roa ireo: ====
Andalana faha-251:
 
=== Ny zodiaka sy ny fanandroana amin'ny ankapobeny ===
Ny evan'ny zodiaka dia ampasaina amin'ny fanandroana mba hatao fiaingana ara-potoana sy arak'erana ka ahafahana manao ny fampifandraisana izay fototr'ity fanao ity. Ampiasaina ao amin'ny fanandroana ny zavatra isankarazany toy ny [[planeta]], ny [[Masoandro]], ny [[Volana]], ny faravodilanitra ary ny faritra na teboka amin'ny vohon'ny tany manadrify ny Masoandro mitatao vovonana. Ny fananadroana miankina amin'ny zodiaka dia misy karazany roa koa noho izany, dia ny fanandroan-kintana sy ny fanandroan-mihodina.
 
==== Ny fanandroan-kintana ====
Ny fanandroan-kintana (frantsay: ''astrologie sidérale'') dia miankina tanteraka amin'ny [[kintana]] na ny antokon-kintana (antokon-kintan'ny zodiaka indrindra) izay azo jerena tokoa eny amin'ny lanitra. Mety ho ny maso fotsiny no enti-mijery izany mivantana na amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana moderna.
 
==== Ny fanandroa-mihodina ====
Ny fanandroan-mihodina (frantsay: ''astrologie tropicale'') kosa dia miankina amin'ny fizaran-taona faritan'ny toerana misy ny masoandroMasoandro miohatra amin'ny tany. Ity fanandroana ity no be mpampiasa indrindra na dia efa tsy mifanaraka amin'ny antokon-kintana aza.
 
Miteraka olana ny tsy fahaiza-manavaka azy roa ireo. Ohatra, ny olona iray teraka ao amin'ny evan'ny ''Adimizana'' (23 Septambra - 22 Oktobra) dia tsy teraka ao amin'ny fotoan'ny antokon-kintana ''Adimizana'' (30 Oktobra - 20 Novambra) noho ny tsy fifanarahana misy amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny evan'ny zodiaka. Toy izany koa raha misy olona lazaina fa teraka manandrify ny antokon-kintana ''Alakaosy'' (18 Desambra - 20 Janoary) dia tsy teraka amin'ny evan'ny ''Alakaosy'' izy (23 Novembra - 21 Desambra).