Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nameno
Andalana faha-62:
 
==== Alakarabo ====
Ny Alakarabo no vintana sy volana fahavalo. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Akrab'' ny hoe ''Alakarabo.'' Ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Vintana tsara ny Alakarabo satria andron'ny fahavokarana. Voalaza fa teraka tamin'ny vava Alakarabo ny mpanjaka [[Ranavalona II]]. Miarina eo amin'ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adaoro ny vintana Alakarabo.
 
==== Alakaosy ====
Ny Alakaosy dia vintana sy volana fahasivy ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Kaus'' ny hoe ''Alakaosy.'' Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia ahohoka ho faty fa atahorana hahafaty izay lehibe noho izy. Mifandratra amin'ny Adizaoza Alakaosy sady miarina sy miandriana eo amin'ny Asorotany ny Alakaosy.
 
Lazaina ho teraka Alakaosy ny piraiminisita [[Rainilaiarivony]] vadin'ireo mpanjakavavy merina telo nifandimby. Mba hanalana vintana azy dia napetraka teo am-bavahadim-balan'omby izy raha vao teraka. Tsy maty izy na dia nandalo teo aza ny omby nefa maro tamin'ireo fianakaviany no narary ka nampanapahin'ny ombiasa ny taolana roa amin'ny fanondro sy amin'ny fanondroadala amin'ny tanany ankavia sady nampanalavirina ny fianakaviany izy<ref><small>Annick Cohen-Bessy, ''La Prédiction ou la vie de Rainilaiarivony 1828-1896'', L'Harmattan-Tsipika, 1997.</small></ref>.
 
==== Adijady ====
Vintana sy volana fahafolo ny Adijady. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Djadi'' ny hoe ''Adijady.'' Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy". Mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy ny Adijady. Mifandratra amin'ny Asorotany sad mitanila sy miarina eo amin'ny Alahasaty sy ny Adizaoza ny Adijady.
 
==== Adalo ====
Andalana faha-76:
 
==== Alohotsy ====
Vintana sy volana faharoa ambin'ny folo ny Alohotsy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Hut'' ny hoe ''Alohotsy.'' Ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Mifandratra amin'ny Asombola sy miarina eo amin'ny Adimizana ny vintana Alohotsy.
 
=== Vintana malagasy sy evan'ny zodiaka tandrefana ===