Sokajin-teny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Atao hoe '''sokajin-teny''' ny vondrona misy ireo teny afaka mifanolo hisahana [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] mitovy am-[[Fehezanteny|pehezanteny]] ao amin’ny [[fiteny]] iray. Mizara ho vondrona roa lehibe ny teny, dia ny [[reniteny]] sy ny [[zanateny]]. Ny sokajin-teny fahita matetika dia ny [[anarana]], ny [[matoanteny]], ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]], ny [[tambinteny]], ny [[tenim-piontanana]], ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] anarana ary ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]]. Afaka manana anjara asa hafa tsy araka ny mety mahazatra amin'ny fiteny hafa koa anefa ny teny ao amin’ny sokajy iray, ohatra ny matoanteny dia azo atao [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] ka mety mahasarotraao amin'ny fanasokajianafiteny izanymalagasy.
 
== Ireo sokajin-teny fahita matetika ==
 
=== Ny sokajin'ny reniteny ===
Ny [[reniteny]] dia teny azo sarahina amin'ny namany ka afaka mahaleo tena sady manana hevitra mazava na dia tsy misy teny hafa milaza ny anjara asany, sady tsy natao hilaza ny anjara asan'ny teny hafa koa izy. Sokajin-teny maromaro no voasokajy ho reniteny, dia ny [[anarana]], ny [[mpamari-toetra]], ny [[tambinteny]], ny [[matoanteny]], sns. Miovaova arakaraka ny fiteny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny reniteny. Ny mampiavaka ireo teny ao amin'ity vondron-tsokajin-teny ity dia izy ireo maro dia maro, manana halava miovaova, azo foronina, azo soloan'ny [[Mpisolo tena (fitsipiteny)|mpisolo tena]] ny sasany aminy.
 
==== Ny anarana ====
Andalana faha-10:
 
==== Ny matoanteny ====
Ny [[matoanteny]] dia teny ampiasaina ao amin'ny [[fehezanteny]] na [[fehezankevitra]] hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|fotoana]], [[fiendrika]], [[Filaza (fitsipiteny)|filaza]], [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] sns. matetiaMatetia izy dia misahana ny anjara asa [[entimilaza]] na vara.
 
==== Ny mpamari-toetra ====
Ny [[mpamari-toetra]] dia teny ampiraisina amin'ny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Zana-tsokajin'ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] ny mpamari-toetra.
 
==== Ny tambinteny milaza fomba ====
Andalana faha-19:
 
=== Ny zanateny ===
Ny [[zanateny]] dia teny tsy azo sarahina amin'ny namany ka tsy afaka mahaleo tena sady atao hilazana ny anjara asan'ny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny. Sokajin-teny maromaro no sikajina ho renitenyzanateny, dia ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]], ny [[mpampiankina]], ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]], ny [[mpanoritra]], sns. Miovaova arakaraka ny fiteny sy ny hevitry ny mpahay teny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny zanateny.
 
Miavaka ny zanateny noho izy ireo voafetra isa, sarotra miforona, miasa matetika kokoa ary manana hevitra tsy mazava tsara ny ankamaroany, tsy azo soloana amin'ny mpisolo, matetika izy ireo teny fohy, tokana anjara asa ary mifangaro amin'ny teniatspaona anjara asany idraindray ny anarany.
 
==== Ny mpanoritra ====
NyAmin'ny fiteny ahitzna azy ny [[mpanoritra]] dia teny akambana indrindraindrindra amin'ny [[anarana]] mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty [[fehezanteny]] ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina amin'io anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina amin'ilay teny ikambanany.
 
Tsy ny fiteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isan'ny zana-tsokajin'ny mpanoritra arakaraka ny fiteny.
 
==== Ny zanateny mpamaritra ====
Ny zanateny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] dia teny akambana amin'ny anarana ao amin'ny tarika iray ahafahana mampiasa io anarana io ao anaty fehezanteny ka mety miaraka amin'ny fanondroana ny [[kilahivavy]], ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny, ny [[Filaza isa (fitsipiteny)|filaza isa]] sns izy. Isan'ny zanateny mpamaritra ny mpamaritra isa, ny mpamaritra manondro, nympamaritrany mpamaritra manontany, ny mpamaritra mampifandray, ary ny mpamaritra tompon-javatra.
 
==== Ny mpisolo ====
Andalana faha-35:
 
==== Ny mpampitohy ====
Ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]] dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy, dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy [[fehezankevitra]]. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa (sady matetika mitovy sokajy) ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra, izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra ka milaza ny fifampiakinana misy eo amin'ireo fehezankevitra ireo, dia atao hoe [[Mpampiankina fehezankevitra|mpampiankina fehezankevitra]].
 
==== Ny mpampiakina ====
Ny [[mpampiankina]] dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinan'izy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny, nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny teny na fehezankevitra ampidirin'ny mpampiakina (fehezankevitra miankina) dia matetika mitana anjara asa [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina amin'ny alalan'ny mpampiankina dia atao hoe [[mpampiankin-teny]] ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe [[Mpampiankina fehezankevitra|mpampiankina fehezankevitra]] ilay mpampiankina.
 
==== Ny kianteny ====
Ny [[kianteny]] dia teny kely tsy miova endrika manana anjara asa tsy mitovy amin'ny an'ny [[tambinteny]] na ny mpampiankina na ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]]. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao amin'ny fiteny iray izay ataony hoe ''kianteny''.
 
=== Olan'ny fanasokajiana ho reniteny na zanateny ===
Andalana faha-47:
 
==== Ny tenim-piontanana ====
Ny [[tenim-piontanana]] dia teny azo ampiasaina mitokana mba hanehoana fihetseham-po (vokatry ny hafaliana, ny hatezerana, ny alahelo, ny fahatairana, ny fanaintainana sns), na hampitana hafatra amin'ny fomba tsy mampiasaampiasana teny maro (fiarahabana, fanekena, fandavana, fisalasalana, fonontaniana, baiko sns), na hakana tahaka feon-javatra (feom-biby, fipoahana sns).
 
== Ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny sasany ==
Andalana faha-83:
 
=== Fifandraisan'ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny samy hafa ===
Ny teny iray ao amin’ny sokajy iray ao amin’ny fiteny iray dia mety tsy hahitana izay teny mitovy hevitra sy sokajy aminy ao amin’ny fiteny iray hafa. Raisina ohatra amin’izany ny tambinteny frantsay hoe ''vite'' izay tsy misy teny malagasy sady mitovy hevitra no mitovy sokajy aminy fa ny mpamari-toetra hoe ''haingana'' no mitovy hevitra aminy. Maro amin’ny mpampiankin-teny ao amin’ny teny frantsay no tsy misy teny tokana mitovy hevitra aminy fa matoanteny na andian-teny ahitana mpisolo toerana arahina mpamaritra milaza toetra matetika no ampiasaina (oh.: fr.: ''devant'' = mg.: ''manoloana'' ; fr.: ''sur'' = mg.: ''eo ambony''). Ny teny hoe ''ici'' dia [[tambinteny]] ao amin’ny fitsipi-pitenenana frantsay nefa ny hoe ''eto'', izay mitovy hevitra aminy, dia voasokajy ho [[Mpisolo toerana (fitsipiteny)|mpisolo toerana]] ao amin'ny fiteny malagasy.
 
=== Tsy fisian'ny sokanjin-teny sasany amin'ny fiteny iray ===
Andalana faha-89:
 
=== Tsy fitovian'ny isan'ny teny ao amin'ny sokajin-teny iray arakaraka ny fiteny ===
Tsy voatery hitovy ny isan’ny teny ao amin’ny sokajy iray ao amin’ny fiteny roa samy hafa. Maro dia maro ao amin’ny fiteny malagasy ny [[Mpisolo manondro|mpisolo manondro]] raha ampitahaina amin’ny teny mitovy sokajy aminy ao amin’ny fiteny frantsay na ny [[fiteny anglisy]]. Raha ny fiteny frantsay tsy ahitana afa-tsy ny hoe ''ce'' sy ''cette'' ary ''ces'', ny fiteny malagasy kosa manana ny hoe ''ity, ireto, izato, io, ireo, iny, ireny, ito, ireto, izany, irý, irerý'' sns.
 
=== Tsy fitovian'ny anjara asan'ny teny ho an'ny sokajin-teny mitovy ao amin'ny fiteny roa ===
Tsy voatery hitovy ny anjara asan’ny teny mitovy sokajy ao amin’ny [[fehezanteny]] ao amin’ny fiteny roa samy hafa. Ny sokajin-teny atao hoe [[matoanteny]] ihany no azo atao [[entimilaza]] na afaka mampanjary entimilaza ny teny na andian-teny miaraka aminy ao amin’ny fehezanteny frantsay na anglisy. Ny mpamaritra sy ny anarana ary ny mpisolo anefa dia samy afakaazo atao entimilaza tsy misy matoanteny ao amin’ny fiteny malagasy.
 
Ohatra : ''<u>Matory</u> ilay saka'' (matoanteny). ''<u>Mena</u> ny masony'' (mpamaritra). ''<u>Kisoa</u> ireny'' (anarana). ''<u>Io</u> izy'' (mpisolo).