Evanjelisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-38:
 
==== Ny Fihetsiketsehana karismatika ara-pilazantsara ====
Tamin'ireo taona 1960, taorian'ny fiantombohan'ny [[Fihetsiketsehana karismatika]] dia nisy fiangonana ara-pilazantsara nanapa-kevitra ny hanaraka ny zotran'ity fihetsiketsehana ity sy nihataka tamin'ny fifanarahana pentekotista<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 149</small></ref>. Manakaiky ny Pentekotisma ny [[Fihetsiketsehana karismatika evanjelika]] nefa tsy mihevitra ny fiteny tsy fantatra ho porofon'ny Batisan'ny Fanahy Masina. Omeny lanja indray ireo fanomezam-pahasoavana isankarazany<ref name=":1"><small>William H. Swatos, Jr.,[http://hirr.hartsem.edu/ency/cmovement.htm Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fhirr.hartsem.edu%2Fency%2Fcmovement.htm tahiry]], ''Encyclopedia of Religion and Society'', USA</small></ref> <ref><small>[http://www.biblestudying.net/charismatic2.html Basic Introduction to the Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.biblestudying.net%2Fcharismatic2.html tahiry]], Biblestudying.net, USA</small></ref> <ref><small>Sébastien Fath, ''Du ghetto au réseau. Le protestantisme évangélique en France, 1800-2005'', Édition Labor et Fides, France, 2005, pp. 219-220</small></ref>. Tamin'ny taona 2011 dia niisa 305 000 000 ny mpanaraka io fihetsiketsehana io izay ahitana koa ireo ao amin'ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao<ref name=":0" />.
 
==== Ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao ====
Andalana faha-46:
Ny Kristianisma tsy manana anarana dia fihetsiketsehana teolojika kristiana avanjelika izay ahitana fiangonana na fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fihetsiketsehan'ny [[Batisma]] na ny an'ny [[Pentekotisma]]<ref><small>Gabriel Monet, ''L'Église émergente: être et faire Église en postchrétienté'', LIT Verlag Münster, Suisse, 2013, pp. 135-136</small></ref> <ref><small>Frédéric Dejean, [http://geographie-religions.com/2008/10/03/sur-la-troisieme-vague-evangelique/ ''Sur la Troisième vague évangélique''…] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fgeographie-religions.com%2F2008%2F10%2F03%2Fsur-la-troisieme-vague-evangelique%2F tahiry]], Géographie des religions, France, 3 octobre 2008</small></ref>. Tsy manana anarana raikitra iantsoana azy izy ireo <ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref> <ref><small>http://yannickfer.hautetfort.com/archive/2007/12/25/des-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html</small> <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fyannickfer.hautetfort.com%2Farchive%2F2007%2F12%2F25%2Fdes-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html tahiry]]</small></ref> na dia manana ny fahaleovan-tenany aza. Ao amin'ireo atao hoe "megachurch" ("trano fiangonana goavambe") no ahitana azy ireo indrindra<ref><small>Sébastien Fath, ''Dieu XXL, la révolution des mégachurches'', Édition Autrement, France, 2008, pp. 25, 42</small></ref> <ref><small>http://reforme.net/une/monde/revolution-culturelle-mega-churches [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Freforme.net%2Fune%2Fmonde%2Frevolution-culturelle-mega-churches tahiry]]</small></ref>.
 
Ny Calvary Chapel ("Lasapelin'i Kalvary") dia fikambanana nivoaka avy amin'ny Fihetsiketsehana karismatika sady manana fiangonana miisa 1700 tamin'ny taona 2014<ref><small>Timothy C. Morgan, christianitytoday.com, [http://www.christianitytoday.com/ct/2014/february-web-only/change-calvary-chapel-chuck-smith.html The Case for Big Change at Calvary Chapel] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.christianitytoday.com%2Fct%2F2014%2Ffebruary-web-only%2Fchange-calvary-chapel-chuck-smith.html tahiry]], USA, 26/02/2014</small></ref>. Ny Association of Vineyard Churches ("Fikambanan'ny fiangonan'ny tanim-boaloboka") dia fikambanam-piangonana evanjelika niala avy ao amin'ny Calvary Chapel sady manana fiangonana mihoatra ny 1500 eran-tany. Ny Association chrétienne pour la Francophonie dia fikambanam-piangonana mpanao asa soa miisa 26 (taona 2015) any Kanada sy Frantsa ary Haitý. Ahitana ny atao hoe Fiangonana evanjelika afaka (fr.frantsay: ''Églises évangéliques libres'') miisa 50 sady misy mpikambana 4000 koa izay nivoaka avy amin'ny [[Fiangonana nohavaozina]] ny ao Frantsa izay mitovitovy fomba amin'ny [[Batisma|Batista]] nefa tsy manao ny batisa asitrika anaty rano ho fepetra ahafaha-mandray ny fanasan'ny Tompo na maha mpikambana. Ahitana io karazana fiangonana afaka io koa ny any [[Soisa]] sy Etazonia.
 
== Jereo koa: ==