Fanomezan' ny Fanahy Masina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fivavahana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanohy
Andalana faha-3:
Ireo fanomezan'ny Fanahy Masina tsy mahazatra, izay atao hoe koa "Fanomezana karismatika" dia ireto: ny tenin'ny fahendrena, ny tenin'ny fahalalana, ny fitomboan'ny finoana, ny fanomezana hanasitrana, ny fanomezana hanao fahagagana, ny faminaniana, ny fanavahana ny fanahy samihafa, ny fitenenana amin'ny fiteny maro, ny fandikan-teny. Manampy azy ireo ny maha apostoly, ny maha [[mpaminany]], ny maha mpampianatra, ny fanampiana ny mahatra sy ny marary ary ny fahaiza-mitondra sy mitantana (ity dia miaraka amin'ny raharaha sasany tanterahina ao am-piangonana).
 
Ireo fanomezana ireo dia omen'ny Fanahy Masina ny isam-batan'olona, nefa ny tanjony dia ny hampahatanjanka ny Fiangonana manontolo. Resahina ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] ireo fanomezana ireo, ka hita izany ao amin'ny [[Epistily voalohany ho an'ny Korintiana]] (1Kor. 12. 8-10; 12.28), ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Romana]] (Rom. 12. 6-8) ary ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Efesiana]] (Efes. 4. 11). Miresaka momba ny fanomezan'ny Fanahy koa ny [[Epistily voalohany nosoratan'i Petera]] (1Pet. 4).
 
Ireo fanomezana ireo dia mifandray amin'ny fahaizana voajanahary sy ny fahaizana mahagaga avy amin'ny Fanahy Masina. misy roa lehibe ny fiheverana ny amin'ny fanomezan'ny Fanahy masina: ao ireo milaza fa efa tapitra ka tsy misy intsony izany (anglisy: ''cessationism'') ary ao koa ireo manambara fa mbola mitohy ny fisian'izany (anglisy: ''continuationism'').
 
Maro ireo fikambanana s fihetsiketsehana nandra anjara tamin'n fanomezan-danja ny fanomezan'ny Fanahy masina ka ny andiany voalohany dia ny [[pentekotisma]] tamin'ny taona 1906, ny andiany faharoa dia ny [[Fihetsiketsehana karismatika|fihetsiketsehana karismatika]] tamin'ny taona 1960 ary ny andiany fahatelo dia ny [[Fihetsiketsehana karismatika vaovao|fihetsiketsehana karismatika vaovao]] tamin'ny taona 1980.