Pietisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanohy
Andalana faha-1:
Ny '''pietisma''' dia fihetsiketsehana na firehana ara-pivavahana [[Protestantisma|protestanta]] naorin'i Philipp Jacob Spencer (1635-1705), izay pastora loterana alzasiana nonina tao Frankfurt am Main (frantsay: ''Francfort-sur-le-main.'') tao [[Alemaina]], izay mihevitra ny fitiava-mivavaka ho ny zava-dehibe indrindra amin'ny fivavahana.

Tamin'ny taona 1670 dia nanangana ny atao hoe ''collegia pietatis'' izay namaly ny hetahetan'ireo mitady fanajana amin'ny antsipiriany ny fanao momba ny fivavahana. Ao amin'ny boky nosoratany hoe ''Pia desideria'' tamin'ny taona 1685 dia nanantitra ny amin'ny filana ny fifantohan'ny tsirairay sy ny fihetsehampo ara-pivavahana izay heverin fa tsara kokoa noho ny fahalalana ny antsipiriany amin'ny foto-pampianarana lazaina hoe marina (ortodoksia) momba ny fivavahana. Nampiely ny pietisma manerana an'i [[Alemaina]] manontolo ny mpianatr'i Spencer toa an'i August Hermann Francke sy i Nikolaus Ludwig von Zizendorf.
 
Ny havitrihan'ireo mpanaraka ny pietisma amin'nt asa famitana iraka (misiona), indrindra avy tao Halle ary koa avy amin'n Fiangonana moraviana (angisy: ''Moravian'' ''Church'') na Rahalahy morava (''Frères'' ''moraves'') dia nampisy akony ny pietisma teo amin'ny protestantima. Izany akony izany dia hita hatrany amin'ny traikefan'ny fiovam-pinoan'i John Wesley sy amin'ireo fotoana nanombohan'ny Fifohazam-panahy protestanta tao amin'ireo tany miteny frantsay.
 
Isan'ireo olona malaza tamin'ny fandraisana anjara tamin'io fihetsiketsehana io na nadray ny voktr'izany i Emmanuel Kant sy i Gotthold Ephraim Lessing ary i Friedrich Hölderlin.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Evanjelisma]]