Iahveh: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
'''[[Iahveh]]''' no anarana iantsoana ny Andriamanitry ny [[Zanak'i Israely]]. Fanoratra ihany koa ny hoe ''[['''Yahweh]]''''' na '''''Iahvé''''' na '''''Yahveh'''''. Amin'ny [[Baiboly]] protestanta malagasy dia ahitana ny hoe '''''Jehovah'''''. Ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) dia tsy ahitana afa-tsy ny renisoratra hebreo (<big>יהוה</big>) izay azo soratana amin'ny litera latina hoe ''IHVH'' na ''YHWH<ref name=":0"><small>Tsy misy litera roa manavaka ny "i" amin'ny "y" ny [[abidy hebreo]] fa iray ihany dia ny ''iod''. Toraka izany koa: tsy misy litara roa manavaka ny "v" sy ny "w" dia ny ''vav'' na ''waw''.</small></ref>''.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-20:
 
=== Fampiasana na tsy fampiasana ny hoe IHVH na YHWH ===
Ny Jiosy, izay tsy mahafantatra ihany koa ny tena fanononana ilay anarana, dia tsy manonona azy. IzanyAmin'izy ireo dia fanajana ihany koa ny didy mifehy ny fampiasana ny anaran'Andriamanitra izay tsy azo tononina izany.
 
Ny Kristiana dia nanonona ary mbola misy manonona azy amin'ny endrika samihafa toy ny hoe ''Iahvé'', ''Jehovah'', sns. ary ireo asasoratra fikarohana dia mampiasa ny hoe ''Yahweh''. Taty aoriana dia maro ny Baiboly kristiana izay tsy ahitana intsony na ny hoe ''Iahve'' na ny hoe ''Jehovah'' fa nanolo azy ny hoe ''Tompo''. Ny ankamaroan'ireo Baiboly protestanta amin'ny teny frantsay dia mampiasa ny hoe ''l'Eternel'' ("ny Mandrakizay"). Ny mpandika tenin'ny Baibolin'ny [[Vavolombelon'i Jehovah]] (''Ny Soratra Masina - Fandikan-Tenin'ny Tontolo Vaovao'') dia nitazona ny anarana hoe ''Jehovah''.
 
Nanomboka tamin'ny naha-Papa an'i [[Benoît XVI|Benoa XVI]] (taona 2005) dia tsy manonona intsony ny hoe ''Iahve'' ny Eglizy Katolika mba ho fanajana ny anaran'AndriamanitraJiosy arakaizay nytsy fombamanonona Jiosyio anarana io.
 
=== Ny anarana hoe ''IHVH'' ao amin'ny Torah ===
Ao amin'ny [[Torah]], izay fitambaran'ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, ny anarana iantsoana an'Andriamanitra dia indraindray ny hoe ''Iahveh'' na ''Yahweh'' ary indraindray koa dia ny hoe ''Elohim''. Heverin'ny mpikaroka Julius Wellhausen ho avy amin'ny loharano atao hoe ''[[Tahirin-kevitra iahvista|Iahvista]]'' na ''Jahvista'' (hafohezina amin'ny hoe ''J'') ireo lahatsoratra ao amin'ny Torah izay manao ny anaran'Andriamanitra hoe ''Iahveh'' na ''Yahveh'' ireo. Izany dia anehoany fa tsy olon-tokana no nanoratra na tsy loharano tokana no nanovozana izay voasoratra ao amin'ireo boky ao amin'ny Pentateoka fa samihafa. Ny manampy an'io [[Tahirin-kevitra iahvista|Loharano iahvista]] (J) io dia ny [[Tahirin-kevitra elohista|Loharano elohista]] (E) sy ny [[Tahirin-kevitra deoteronomista|Loharano deoteronomista]] (D) ary ny [[Tahirin-kevitry ny mpisorona|Loharanon'ny mpisorona]] (P). Mifanohitra amin'ny lovantsofina izay milaza an'i Mosesy ho mpanoratra tokana ny Torah izany.
 
== Ny hevitr'ilay anarana ==
Andalana faha-34:
Ny hevitry ny anarana hoe <big>יהוה</big> <u>''I''</u>''ahveh'' na ''Jehovah'' dia notsoahan'ny mpanao heviteny amin'izay voalaza ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]] (Eks. 3.13-14).
 
Izao no navalin'Andriamanitra an'i Mosesy raha nanontany azy ny anarany izy: אֶֽהְיֶ֖ה אֲשֶׁ֣ר אֶֽהְיֶ֑ה / ''Ehieh Asher Ehieh.'' Ny hoe IHVH izany dia avy amin'ny matoanteny hoe אֶֽהְיֶ֖ה / '''''ehieh'''''. Izany dia manambara ny fisian'ny tenany amin'ny fotoana rehetra na ny fampisiany ny zavatra rehetra. Ny hoe e''hieh'' dia endriky ny [[matoanteny]] היה / '''''hih''''' miaraka amin'ny mpisolotena voalohany hoe "''aho'', ''izaho''", izay midika hoe "misy", "manjary", "mampisy" na "mampanjary". Azo ilazana ny ankehitriny sy ny ho avy io endriky ny matoanteny io.
 
=== Ny Eks. 3.13-14 ao amin'ny Baiboly malagasy ===
Tsy mitovy ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy|fandikana amin'ny fiteny malagasy]] ny fehezanteny hebreo hoe אֶֽהְיֶ֖ה אֲשֶׁ֣ר אֶֽהְיֶ֑ה / ''Ehieh Asher Ehieh'' izay tsy ahitana afa-tsy teny telo eto. Lava dia lava izy ao amin'ny Baiboly protestanta (''Ny Baiboly'') sy ny Baibolin'ny Vavolombelon'i Jehovah (''Ny Soratra Masina - Fandikan-Tenin'ny Tontolo Vaovao'') ary ny Baiboly DIEM -, fa fohy kosa izy ao amin'ny Baiboly katolika (''Ny Baiboly Masina'').
 
"'''''Ehieh Asher Ehieh'''''":
 
''"Izaho no Ilay Misy"'' (''Ny Baiboly Masina,'' 2011)
 
''"Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay"'' (''Ny Baiboly DIEM,'' 2004)
 
''"Hoporofoiko fa Izaho ilay mahavita izay iriko"'' (''Ny Soratra Masina - Fandikan-Tenin'ny Tontolo Vaovao,'' 1984)
 
"''Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay".'' (''Ny Baiboly,'' 1965)
 
==== Araka ny Baiboly protestanta ====
Andalana faha-67:
*[[Fanekem-pinoana]]
*[[Monoteisma]]
*[[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|Fanehoan-javatra tsy efa]]
 
== Fanamarihana ==