Israelita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''[[Israelita]]''' na [[Israelita|'''Isiraelita''']] dia vahoaka tany Antsinana Afovoany izay nonina tamin'ny ampahan'ny tany Kanana nandritra ny vanim-potoan'ny faha foko sy faha mpanjaka<ref><small>Finkelstein, ''Israel, and Nadav Naʼaman, eds. From nomadism to monarchy: archaeological and historical aspects of early Israel.''</small></ref>. Ao amin'ny [[Torah]] sy ny [[Kor'any]] ary ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly]] dia manondro ny taranak'ireo zanaka lahin'i [[Jakoba]], izay lohan'ny [[Fokon'i Israely|foko roa ambin'ny folon'i Israely]], ny teny hoe ''Israelita''<ref><small><abbr>(en)</abbr> Robert L.Cate, ''Israelite''</small> </ref>.
 
Ny teny hoe ''Israelita'' dia matetika afangaro amin'ny teny hoe ''Jody'' na ''Jiosy'' sy ''Hebreo''. Nefa izany dia ataon'ny ankamaroan'ny rakibolana ho efa lany andro<ref><small>[http://www2.cnrs.fr/presse/thema/443.htm « Juif ou israélite ? Halte à la polémique »] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.israelite-samaritans.com%2F tahiry]]</small></ref>. Ao amin'ny [[Torah]] dia iantsoana ireo mponina tao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan'i Joda]] izay avy amin'ny fokon'i Joda ny hoe ''Yehudi'' (''Jody'' na ''Jiosy''). Torak'izany koa, ireo [[Samaritana]] dia mihevitra ny tenany ho Israelita tany amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] ao avaratra (izay atao hoe Fanjakan'i Samaria), ka ny mifanohitra aminy dia ireo Israelita jiosy ao amin'ny Fanjakan'i Joda. Ny teny hoe ''Hebreo'' indray dia ilazana ireo taranaky fokon'i [[Ebera|Hebera]], izay nitaranaka ny Israelita.
 
== Jereo koa: ==