Evanjelisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-17:
# Ny biblisisma: ny Baiboly no filamatry ny finoana ara-pilazantsara;
# Ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]: miaiky ny asam-panavotan'i Kristy amin'ny alalan'ny fieken-keloka sady misafidy manokana ny hanolotra ny fiainany amin'i Jesosy mba hahazo ny fonomezam-pahasoavan'ny famonjena izay mifandray amin'ny fahateraham-baovao. Ny batisan'ny olon-dehibe [[Anabatisma|anabatista]] dia matetika manambara izany fanapahan-kevitra izany;
# Ny fijoroana vavolombelona: ny [[Filazantsara]] no Vaovao mahafaly izay tokony ho zarain'ny Kristiana ara-pilazantsara amin'ny fianakaviany, amin'ny ny namany, amin'ny ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin'ny ny mpiara-miasa aminy, amin'ny ny olona rehetra izay mety hihaona aminy, na amin'ny fiainanany andavan'andro izany na amin'ny maha mpamita iraka (misionera) azy.
 
Ireo zavatra telo ireo dia vokatry ny fanadihadiana nataon'ilay sosiologa britanika atao hoe Bavid Bebbington izay manampy koa ny maha ivon'ny fivavahan'ny Evanjelika ny amin'ny fanomboana an'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] tamin'ny hazo fijaliana, izay lohahevitra mitoetra mandrakariva ao amin'ireo toriteny sady heverina ho kihon-dalana teo amin'ny tantaran'ny Zanak'olombelona. Na dia izany aza dia mason-tsivana tsy dia voaray hanavahana ny Fiangonana evanjelika izany, angamba noho izy sarotra sarahina amin'ny fahatsapan'ny tsirairay.
Andalana faha-26:
 
* ny fanadratana ambony ny fifohazam-panahy (revivalisma), izay mahafaoka ny fiheverana ho zava-dehibe ny fibebahan'ny tena manokana amin'ny maha an'ny tena manokana ny famonjena;
* ny fanarahana ny lala-marina (ortodoksia araka ny heviny protestanta): ny fahefan'ny [[Baiboly]] sy ny maha vokatry ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandri]]<nowiki/>n'Andriamanitra azy, ny fahamarinan-tandrifin'ny zavatra voalaza ao ary ny fiarovana ireo "fahamarina kristiana"<ref><small>Jereo: Jean Baubérot, "Protestantisme", ao amin'ny ''Encyclopædia Universalis'', Paris, Encyclopædia Universalis, 2002, vol. 18, <abbr>p.</abbr> 1045, col. i.</small></ref>.
 
== Ireo fiangonana evanjelika ==
Andalana faha-41:
 
==== Ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao ====
Tany [[Etazonia]] no niforonan'ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao tamin'ny fiantombohan'ireo taona 1980. Ivon'ny finoany ny [[Batisan'ny Fanahy Masina]] araka ny fanambaràn'i Jesosy Kristy sy ireo fanomezam-pahasoavana sivy avy amin'ny Fanahy Masina<ref name=":1" />. Mampiasa ny fitaovan-tserasera vaovao ireo Fiangonana karismatika vaovao<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref>. Noraisiny ny teolojian'ny Fihetsiketsehana karismatika evanjelika nefa nohamafisiny sy notovanany amin'ny atao hoe "ady ara-panahy", sy "tenim-pinoana", ary "fanavaozana ara-drafitra"<ref><small>Sébastien Fath et Jean-Paul Willaime, ''La nouvelle France protestante: essor et recomposition au XXIe siècle'', Édition Labor et Fides, France, 2011, p. 142-143</small></ref>.
 
==== Ny Kristianisma tsy manana anarana ====
Ny Kristianisma tsy manana anarana dia fihetsiketsehana teolojika kristiana avanjelika izay ahitana fiangonana na fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fihetsiketsehan'ny [[Batisma]] na ny an'ny [[Pentekotisma]]<ref><small>Gabriel Monet, ''L'Église émergente: être et faire Église en postchrétienté'', LIT Verlag Münster, Suisse, 2013, pp. 135-136</small></ref> <ref><small>Frédéric Dejean, [http://geographie-religions.com/2008/10/03/sur-la-troisieme-vague-evangelique/ ''Sur la Troisième vague évangélique''…] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fgeographie-religions.com%2F2008%2F10%2F03%2Fsur-la-troisieme-vague-evangelique%2F tahiry]], Géographie des religions, France, 3 octobre 2008</small></ref>. Tsy manana anarana raikitra iantsoana azy izy ireo <ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref> <ref><small>http://yannickfer.hautetfort.com/archive/2007/12/25/des-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html</small> <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fyannickfer.hautetfort.com%2Farchive%2F2007%2F12%2F25%2Fdes-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html tahiry]]</small></ref> na dia manana ny fahaleovan-tenany aza. Ao amin'ireo atao hoe "megachurch" ("trano fiangonana goavambe") no ahitana azy ireo indrindra<ref><small>Sébastien Fath, ''Dieu XXL, la révolution des mégachurches'', Édition Autrement, France, 2008, pp. 25, 42</small></ref> <ref><small>http://reforme.net/une/monde/revolution-culturelle-mega-churches [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Freforme.net%2Fune%2Fmonde%2Frevolution-culturelle-mega-churches tahiry]]</small></ref>.
 
Ny Calvary Chapel ("Lasapelin'i Kalvary") dia fikambanana nivoaka avy amin'ny Fihetsiketsehana karismatika sady manana fiangonana miisa 1700 tamin'ny taona 2014<ref><small>Timothy C. Morgan, christianitytoday.com, [http://www.christianitytoday.com/ct/2014/february-web-only/change-calvary-chapel-chuck-smith.html The Case for Big Change at Calvary Chapel] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.christianitytoday.com%2Fct%2F2014%2Ffebruary-web-only%2Fchange-calvary-chapel-chuck-smith.html tahiry]], USA, 26/02/2014</small></ref>. Ny Association of Vineyard Churches ("Fikambanan'ny fiangonan'ny tanim-boaloboka") dia fikambanam-piangonana evanjelika niala avy ao amin'ny Calvary Chapel sady manana fiangonana mihoatra ny 1500 eran-tany. Ny Association chrétienne pour la Francophonie dia fikambanam-piangonana mpanao asa soa miisa 26 (taona 2015) any Kanada sy Frantsa ary Haitý. Ahitana ny atao hoe Fiangonana evanjelika afaka (fr.: Églises évangéliques libres) miisa 50 sady misy mpikambana 4000 koa izay nivoaka avy amin'ny [[Fiangonana nohavaozina]] ny ao Frantsa izay mitovitovy fomba amin'ny [[Batisma|Batista]] nefa tsy manao ny batisa asitrika anaty rano ho fepetra hahafahaahafaha-mandray ny fanasan'ny Tompo na maha mpikambana. Ahitana io karazana fiangonana afaka io koa ny any [[Soisa]] sy Etazonia.
 
== Jereo koa: ==