Fiteny hitita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny hitita''' na '''fiteny heteana''' izay fantatra koa amin'ny hoe '''fiteny nesita''' dia [[Fiteny indô-eoropeanina|fiteny indo-eoropeana]] izay notenenin'ny [[Hitita]] na Heteana tamin'ny [[Andron'ny Alimo]] tao Anatolia. Ireo Hitita ireo dia namorona fanjakana lehibe ka ny ivony dia i Hatosa (''Hattusa''), izay ao amin'ny tapany avaratry ny Tany Atsinanana sy i [[Mesopotamia]] Ambony. Efa maty efa ela ny fiteny hitita ka ny soratra miendri-pantsika tavela no ahafantarana azy, izay voasoratra tany amin'ny taonjato faha-16 hatramin'ny taonjato faha-13 tal. J.K.
 
Tamin'ny tapany farany amin'ny Andron'ny Alimo dia nanomboka nanome toerana ny fiteny loviana izay mifanakaiky aminy ny fiteny hitita. Tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. dia ny fiteny loviana na lovita no notenenina indrindra tao Hatosa renivohitry ny Hitita. Taorian'ny firodanan'ny Empira hitita tamin'ny tapany farany tamin'ny Andron'ny Alimo dia ny fiteny loviana no be mpiteny indrindra tao amin'ny fanjakana atao hoe siro-hitita tao amin'ny tapany atsimo-andrefan'i Anatolia sy ao amin'ny tapany avaratr'i Siria. Ny fiteny hitita no fiteny fantatra indrindra amin'ireo fiteny anatoliana izay isan'ny [[Fiteny indô-eoropeanina|fiteny indo-eoropeana]].