Safodrano: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Gustave Doré - The Holy Bible - Plate I, The Deluge.jpg|vignette|382x382px|''Ny Safodrano'', nataon'i Gustave Doré, taona 1866.]]
Ny '''[[Safodrano]]''' dia loza nitranga, araka ny tantaram-pinoana sy angano, nahasafotry ny rano ny Tany manontolo ka nahafaty saika ny zava-mananaina rehetra. Tantaraina anatina bokim-pivavahana sy tahirin'anganon'ny firenena maro eto an-tany izany. Amin'ny ankapobeny izany loza izany, araka ireo boky sy angano ireo, dia tonga noho ny hatezeran'ireo andriamanitra na hatezeran'Andriamanitra vokatry ny haratsian'ny zava-misy teto an-tany, indrindra ny ratsy ataon'ny olombelona izay efa tafahoatra ny azo leferina. Nefa tsy ny zava-manana aina rehetra na ny olona rehetra no maty satria nisy ny voatsimbina mba hanome taranaka vaovao. Taorian'izany dia nisy tontolo voadio nahitana zava-mananaina sy olombelona vaovao taranak'ireo izay voatsimbina.
 
Ankoatr'ilay fitantarana ny Safodrano ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy]] ao amin'ny [[Baiboly]] izay miresaka ny amin'i Noa sy ny sambofiarany, dia ahitana an'izany lohahevitra izany koa ny lovantsofina am-bava na ny literatiora tranainy amin'ny firenena sy vahoaka maro eto an-tany, ka ny malaza indrindra dia ny Tantaran'i Gilgamesy.