Sorabe: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Sorabe malagasy.jpg|400px|ankavanana|Santiôna sorabe malagasy|thumb]]
 
Ny '''sorabe''' ({{arabo|سُرَبِ}}) dia [[abidy]] iray avy amin'ny abjad[[abjady]] arabo (''ajami'') izay natao hanoratana ny fiteny ao Madagasikara, indrindra indrindra ireo fiteny ao atsimo atsinanan'i Madagasikara : ny fiteny [[antemoro]]-anteogny ary anakara. Fantatra fa isaina aman-jatony ireo lahatsoratra nosoratana tamin'ny alalan'io abidy io ; ny tena antitra amin'ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany amin'ny taonjato faha-17 tany ho any.
 
Tamin'ny taonjato faha-18, fantatra ary nampiasain'ny foko rehetra erak'i Madagasikara io abidy io : tao Imerina, nanafatra mpanoratra antemoro i [[Andrianampoinimerina]] mba hampianatra ny ankizy hamaky teny ary hanoratra. Izay no nahatonga an'i-d[[Radama Voalohany|Radama]] (namorona ny abidy malagasy ankehitriny izay mifototra amin'ny [[Abidy latina|abidy latina]]) nahay nanoratra ary namaky teny hatry ny fahazazany.
 
 
Mihevitra ny mpikaroka fa mety nisy tarehintsoratra hafa nampiasaina tao Madagasikara talohan'ny nisian'ny sorabe : ao amin'ilay teny mamaritra ilay abidy amin'ny teny malagasy dia ahitana ny fototeny ''soratra'' (avy amin'ny fiteny arabo) ary ny fototeny ''be''. Izay tarehintsoratra nialohan'ny sorabe izay dia mety avy any [[India]], sahala amin'ireo tarehintsoratra ampiasaina ao Azia Atsimo Atsinanana.
 
== Abidy ==