Renisoratra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny soratra
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
Ny [[renisoratra]] dia [[litera]] ao amin'ny [[abidy]] izay noforonina mba hanoratana ny [[renifeo]]. Ny [[zanatsoratra]], izay litera noforonina hanoratana ny [[Zanapeo|zanapeo,]] no mifanohitra sy mifameno aminy. Tsy ny abidy rehetra akory no ahitana fanavahana ny renisoratra amin'ny zanatsoratra satria misy ireo abidy atao hoe ''[[abjady]]'' izay tsy manana afa-tsy renisoratra ka ohatra amin'izany ny [[abidy hebreo]] sy ny [[abidy arabo]].
 
Ao amin'ireo abjady dia misy ny renisoratra lasa amapiasaina hanoratana zanapeo ka asolo zanatsoratra, isan'izany ohara ny renisoratra hebreo ''Alef'' (א) izay anoratana ny zanapeo /a/ amin'ny teny sasany. Izany no atao hoe "reni-vakiteny" (latina: ''Mater lectionis'').
 
Matetika koa dia misy ireo fiteny izay ahitana teny misy renisoratra tsy vakina fa moana.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Zanatsoratra]]
* [[Abidy]]
* [[Litera]]