Fiteny akadiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''[[Fiteny akadiana|fiteny akadiana]]''' dia fiteny hamito-semitika ao amin'ny fianakaviam-[[Fiteny semitika|piteny semitika]] efa tsy tenenina intsony sady nandray ny vokatry ny fifampikasohany tamin'ny [[Fiteny someriana|fiteny someriana]]. Teny velona izy tamin'ny fiandohan'ny taonarivo faha-3 ka hatramin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. tao [[Mesopotamia]]. Avy amin'ny anaran'ny tanàna atao hoe [[Akady]] (''Akkad'') izay renivohitry ny fanjakana mitovy anarana aminy. Nadritra ny taonarivo faha-2 sy voalohany tal. J.K. dia nisy endriky ny fiteny akadiana roa: ny [[Fiteny babiloniana|fiteny babiloniana]] tao amin'ny tapany atsimon'i Mesopotamia (tao [[Babilonia]]) sy ny [[Fiteny asiriana|fiteny asiriana]] tao amin'ny tapany avaratra ([[Asiria]]). Nandritra ireo taonjato faramparany nisian'ny fiteny akadiana dia nihavitsy ny mpiteny azy noho izy voasongon'ny [[Fiteny arameana|fiteny arameana]] ka nahatonga azy tsy nampiasaina raha tsy tao amin'ny asa soratr'ireo manampahaizana tao Babilonia taty aoriana. Amin'ny sora-pantsika no nanoratana ny fiteny akadiana. maro ireo asa soratra momba ny [[Fedrà|fedrà,]] ny lalàna, ny siansa, ny fifandraisana an-tsoratra, ny tantara, ny tononkalo ary ny hafa koa.
 
Tsy tenim-pifandraisana tao Mesopotamia ihany ny fiteny akadiana fa nampiasaina koa tamin'ny fanoratana tamin'ireo faritra manakaiky tao an'i Siria sy ny any Atsinanana ary tany Elama. Nandritra ny taonarivo faha-2 tal J.K. izy dia fiteny ifandraisan'ny samy hafa firenena tao Atsinanana Akaiky, indrindra amin'ny fifandraisana ara-[[Diplaomasia|diplomasia]]. Nifampikasoka tamin'ny fiteny maro toy ny fiteny someriana sy ny [[Fiteny horita|fiteny horita]] (na horeana), ny [[Fiteny amorita|fiteny amorita]] (na amoreana), ny fiteny arameana sns ny fiteny akadiana sady naka voambolana maro avy tamin'ireo fiteny ireo.