Fiteny someriana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fiteny
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny someriana''' dia fiteny notenenina tao [[Mesopotamia]] Ambany tamin'ny [[Andro Taloha]]. Io no fiteny notenenina tao [[Somera]] tamin'ny taonarivo faha-4 sy faha-3 tal. J.K. nefa namela toerana tsikelikely ho an'ny [[Fiteny akadiana|fiteny akadiana]] izy ka tsy nisy mpiteny intsony hatramin'ny taonjato faha-19 tal. J.K. na dia lazaina fa miteny amin'ny fiteny roa (someriana-akadiana) ny ankabeazan'ny mponina tamin'izany. Ny fiteny someriana, sahala amin'ny fiteny haty sy ny fiteny elamita, dia fiteny sarotra sokajina amin'ireo fianakaviam-piteny fantatra ankehitriny: heverin'ny manam-pahaizana ho fiteny manireny ny fiteny someriana.
 
Ny fiteny someriana dia heverina ho ny fiteny voasoratra tranainy indrindra, izay nosoratana tamin'ny soratra miendri-pantsika. Io soratra io ihany no nanoratana ny fiteny akadiana, ny fiteny ogaritika, ny fiteny amorita ary ny fiteny elamita taty aoriana. Ireo mpanjaka egiptiana te hifandray amin'ireo faritaniny any [[Atsinanana Akaiky]] sy tamin'ireo mpanjaampanjaka mesopotamiana. Nanoratana ny fiteny indo-eoropeana toy ny fiteny hitita sy ny fiteny persana tranainy koa ny soratra miendri-pantsika.
 
Nisolo tsikelikely ny fiteny someriana ny fiteny akadiana amin'ny maha fiteny tononina azy nanodidina ny taonjato faha-20 tal. J.K. nefa mbola nampiasaina ho fiteny masina sy fiteny ampiasaina amin'ny lanonana sy ny haisoratra ary ny siansa ny fiteny someriana tao mesopotamiaMesopotamia hatramin'ny taonjato voalohany tal. J.K.
 
== Jereo koa: ==