Estera (ao amin'ny Baiboly): Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
(Nanisy sary)
Aucun résumé des modifications
== Tantara araka ny Bokin'i Estera ==
Zazavavy kamboty ray sy reny notezain'i Mordekay (na Mardokea) zana-drahalahin-drainy i Estera. Lasa vadin'i Ahasoerosy (na Asoerosy) izy rehefa avy nisaotra an'i Vasty vadiny taloha ity mpanjaka ity.
[[Sary:VashtiRefusestheKingsSummons.Long.png|vignette|''Nanda ny baionbaikon'ny mpanjaka i Vasty,'' nataon'i Edwin Long.]]
Nosafidin'ny mpanjaka tamin'ireo zazavavy tsara tarehy indrindra niseho teo anatrehany i Estera rehefa avy nandroaka an'i Vasty vadiny izay tsy nety niseho teo anatrehan'ny mpanjaka tamin'ny andro nanaovan'ny mpanjaka lanonana fiaraha-misakafo.
 
Nanao paikady niaraka tamin'i Mordekay i Estera mba tsy hampahomby ny tsikombakomba hamonoana ny mpanjaka. Tsy nanaiky haneho fanajana an'i Hamana i Mordekay fanajana namelona ny fankahalan'io praiminisitra io azy. Nanao tetika ny praiminisitra Hamana mba handringanana ny [[Jiosy]] sy ka nanao izay haneken'ny mpanjaka Ahasoerosy an'izany. Tapa-kevitra hanao izay hahafaty an'i Mordekay sy ny vahoaka jiosy i Hamana, ka nandresy lahatra ny mpanjaka mba hamoaka didy manome alalana azy hanatanterahany izany fandripahana izany. Nanomana hazo hanantonana an'i Mordekay i Hamana nefa nanao paikady hamonjena ny Jiosy mpiray tanindrazana aminy i Mordekay sy i Estera tamin'izany fotoana izany.[[Sary:Esther Denouncing Haman.jpg|vignette|289x289px|''Miampanga an'i Hamana i Estera'', nataon'i Ernest Normand]]Naniraka an'i Estera i Mordekay mba handresy lahatra ny mpanjaka hanafoana ilay didy fanomezana alalana, na dia mety hahafaty azy aza ny fisehoany teo anatrehan'i Ahasoerosy izay tsy nanasa azy.
 
Naniraka an'i Estera i Mordekay mba handresy lahatra ny mpanjaka hanafoana ilay didy fanomezana alalana, na dia mety hahafaty azy aza ny fisehoany teo anatrehan'i Ahasoerosy izay tsy nanasa azy.
[[Sary:Esther Denouncing Haman.jpg|vignette|289x289px|''Miampanga an'i Hamana i Estera'', nataon'i Ernest Normand]]
Nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tetika handringanana ny mpiray tanindrazana aminy i Estera ka fantatry ny mpanjaka fa i Hamana no nitetika an'izany. Nahantona tamin'ny tady ny vozon'i Hamana, ary nanafoana ilay didy navoakany ny mpanjaka, ka nanome alalana ny Jiosy mba handringana ny fahavalony eran'ny fari-panjakàny.
 
== Ny anaran'ireo olona voaresaka ao ==
 
* ''Mordekay na Mardokea'': hebreo: מָרְדְּכַי / ''Mordĕkay'' na מָרְדֳּכַי / ''Mordŏkay''; grika: ''Μαρδοχαῖος'' / ''Mardokhaîos''
* ''Ahasoerosy'': hebreo: אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / ''AʾhashveroshʼAẖashwērōsh''; grika: ''Ασουηρος / Asouēros''; latina: ''Assuerus.''
* ''Vasty'': hebreo: וַשְׁתִּי /''Vashti''; grika: ''Αστιν'' / ''Astin.''
* ''Hamana na Amana'': hebreo: המן‎ / ''Hâmân.''; grika:
 
== Jereo koa: ==
28 550

modifications