28 550
modifications
kAucun résumé des modifications |
(Nanisy sary) |
||
[[Sary:Esther haram.jpg|vignette]]
I [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]], araka ny [[Bokin'i Estera]] ao amin'ny [[Baiboly]], dia vehivavy [[Jiosy]] (avy any [[Jodea]] na Jodia) izay lasa vadin'ny mpanjakan'i [[Persia]], atao hoe Ahasoerosy (na Kserksesy I), sady nanavotra ny Jiosy izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin'i Hamana piraiministra. Niseho tao Persia, ao Sosa (na ''Soza'' na ihany koa ''Sosana'') ny tantara tamin'ny nanjakan'i Ahasoerosy.
== Ny anaran'i Estera ==
Hadasa no anaran'i Estera talohan'ny naha lasa vadin'ny mpanjaka azy. Ny anarana hoe ''Estera'' ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] ([[Tanakh]]) dia ''אסתר / Esther'', ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] ([[Septoaginta|Septoajinta]]) izy dia ''Εσθήρ / Esthêr'' ary ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] ([[Volgata]]) izy dia ''Esther''.
== Tantara araka ny Bokin'i Estera ==
Zazavavy kamboty ray sy reny notezain'i Mordekay (na Mardokea) zana-drahalahin-drainy i Estera. Lasa vadin'i Ahasoerosy (na Asoerosy) izy rehefa avy nisaotra an'i Vasty vadiny taloha ity mpanjaka ity.
[[Sary:VashtiRefusestheKingsSummons.Long.png|vignette|''Nanda ny baion'ny mpanjaka i Vasty,'' nataon'i Edwin Long.]]
Nosafidin'ny mpanjaka tamin'ireo zazavavy tsara tarehy indrindra niseho teo anatrehany i Estera rehefa avy nandroaka an'i Vasty vadiny izay tsy nety niseho teo anatrehan'ny mpanjaka tamin'ny andro nanaovan'ny mpanjaka lanonana fiaraha-misakafo.
Nanao paikady niaraka tamin'i Mordekay
Naniraka an'i Estera i Mordekay mba handresy lahatra ny mpanjaka hanafoana ilay didy fanomezana alalana, na dia mety hahafaty azy aza ny fisehoany teo anatrehan'i Ahasoerosy izay tsy nanasa azy.
[[Sary:Esther
Nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tetika handringanana ny mpiray tanindrazana aminy i Estera ka fantatry ny mpanjaka fa i Hamana no nitetika an'izany. Nahantona tamin'ny tady ny vozon'i Hamana, ary nanafoana ilay didy navoakany ny mpanjaka, ka nanome alalana ny Jiosy mba handringana ny fahavalony eran'ny fari-panjakàny.
== Ny anaran'ireo olona voaresaka ao ==
* Mordekay na Mardokea: hebreo: מָרְדְּכַי / ''Mordĕkay'' na מָרְדֳּכַי / ''Mordŏkay''; grika: ''Μαρδοχαῖος'' / ''Mardokhaîos''
* Ahasoerosy: hebreo: אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / ''Aʾhashverosh.''
* Vasty: hebreo: וַשְׁתִּי /''Vashti''; grika: ''Αστιν'' / ''Astin.''
* Hamana na Amana: hebreo: המן / ''Hâmân''; grika:
== Jereo koa: ==
|
modifications