Torah: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Torah''' (תּוֹרָה), izay midika hoe "lalàna", dia fitambaran’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly amin'ny teny hebreo ([[Tanakh]]). Izy no fizaràna voalohany ao amin'ny Tanakh, eo alohan'ny [[Nevi'im]] sy ny [[Ketuvim]]. Atao hoe "Boky dimin'i Mosesy (na Moizy)" izy ireo. Ao amin'ny [[Baiboly]] kristiana dia ireto ireo boky ireo: ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]] (na Jenezy) sy ny [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]] (na Esaody) sy ny [[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]] (na Levitika) sy ny [[Bokin'ny Nomery|Nomery]] (na Fanisana) ary ny [[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]] (na Deoteronomy). Ny fitambaran’ireo no tondroina amin’ny hoe [[Pentateoka]] na [[Boky dimin'i Mosesy|Boky dimin’i Mosesy]] ao amin’ireo asa soratra kristiana.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe תּוֹרָה / ''Torah'' dia teny hebreo izay midika hoe "lalàna", "toromarika" na "fampianarana".
 
== Ireo boky ao amin'ny Torah ==
Tsy ireo voatanisa ireo anefa ny anaran’ny boky ao amin’ny Baiboly hebreo. Ireto avy ny anaran’ireo boky ireo:
* ספר בראשית ''/ Sefer Bereshit'' ("Tamin'ny voalohany"): [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]] na Jenezy
 
* ספר שְׁמוֹת ''/ Sefer Shemot'' ("ireo anarana"): [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]] na Eksaody
 
* ספר ויקרא ''/ Sefer Vayikra'' ("ary niantso Izy"): [[Bokin'ny Levitikosy|Levitika]] na Levitikosy
 
* ספר במדבר ''/ Sefer Bemidbar'' ("tany an-tany efitra"): [[Bokin'ny Nomery|Nomery]]
 
* ספר דְּבָרִים ''/ Sefer Devarim'' ("ireo teny"): [[Bokin'ny Deoteronomia|Deoterônômy]] na Deoteronomia
 
== Jereo koa: ==