Pentateoka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
'''Pentateoka,''', '''Boky dimin'i Mosesy''' na '''Boky dimin'i Moizy''' no iantsoana ny fitambaran'ireo boky dimy voalohany ao amin'ny [[Baiboly]], izany hoe ao amin'ny [[Testamenta Taloha]]. Ny fizaràna hafa manampy an'io ao amin'ny Testamenta Taloha dia ireo BokinBoky ara-tantara sy ireo Bokim-pahamasinanapahendrena ary ireo Bokin'ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak'izany.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-8:
 
=== Ny Bokin'ny Genesisy na Jenezy ===
Mitantara ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronan]]'Andriamanitra izao rehetra izao sy ny olombelona voalohany ny [[Bokin'ny Genesisy]] (na [[Jenezy]] na Genesý). Mitantara ny amin'ny [[safodrano]] lehibe tamin'ny andron'i [[Noa]] izay vokatry ny [[fahotana]] nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny [[Tilikambon'i Babela]]. Miresaka momba ireo Raiben'ny Israely toa an'i [[Abrahama]] sy i [[Isaka (Hebreo)|Isaka]] sy i [[Jakoba]] ary i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]] koa io boky io. Ny lovan-tsofina[[lovantsofina]] dia milaza fa i [[Mosesy]] na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy.
 
=== Ny Bokin'ny Eksodosy na Eksaody ===
Mitantara ny fanafahana ireo [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] (na Hebrio) avy any Ejipta (na Egipta) sy ny fivezivezeny tany amin'ny tany efitra hatrany amin'ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Sinay]] ny [[Bokin'ny Eksodosy]] (na [[Eksaody]]). Maneho ny fisian'ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io.
 
=== Ny Bokin'ny Levitikosy na Levitika ===
Miresaka sy mitantara ny amin'ny fanompoampivavahanfanompoam-pivavahan'ny Israelita izay nankinina tamin'ny fokon'i [[Levy (zanak'i Jakoba)|Levy]] ny [[Bokin'ny Levitikosy]] (na [[Levitika (boky)|Levitika]]).
 
=== Ny Bokin'ny Nomery ===
Manohy ny tantara ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy momba ny dian'ny Israelita namakivaky ny tany efitr'i Sinay notarihin'i [[Mosesy]] (na Môizy) hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany [[Kanaana|Kanana]] ny [[Bokin'ny Nomery]] na Bokin'ny Fanisana.
 
=== Ny Bokin'ny Deoteronomia na Deoteronomy ===
Manantitra ny momba ny lalàna sy ny amin'ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin'ireo bokin-dalàna telo voalohany ([[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]], [[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]], [[Bokin'ny Nomery|Nomery]]) ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (na [[Deoteronomy]]).
 
== Jereo koa: ==
Fanasokajiana ny boky ao amin'ny [[Tanakh]]:
 
* [[Torah]]
* [[Nevi'im]]
* [[Ketuvim]]
 
Fanasokajiana ny boky ao amin'ny Testamenta Taloha (kristiana):