Joany Apôstôly: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
I [[Joany apostoly|'''Joany''']] na [[Joany apostoly|'''Jaona''']] na '''Johany''' dia isan'ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianatr]]'i [[Jesosy|Jesoa]] (na Jesosy) roa ambin'ny folo lahy. Atao hoe ''[[Joany apostoly|Joany zanak'i Zebedio]]'' koa izy sady rahalahin'i [[Jakoba zanak'i Zebedio]]. Mpanjono ny asany. Misy ny mpandinika mihevitra fa i Joany apostoly dia tsy iza fa i [[Jaona (evanjelistra)|Joany evanjelista]] ihany. Ao koa anefa ireo mandà izany. Fanampin'izany dia heverin'iretsy farany fa tsy olon-tokana no nanoratra ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Filazantsaran'i Jaona]].
 
== Ny anarany ==
Andalana faha-14:
I Petera sy i [[Jakoba zanak'i Zebedio|Jakoba]] ary i Joany dia niaraka tamin'i Jesoa teo an-tendrombohitra tamin'ny fotoan'ny fiovan-tarehy (Mar. 9.2; Mat. 17.1; Lio. 9.28).
 
I Joany dia isan'ireo mpianatra niaraka tamin'i Jesoa tamin'ny fanasitranana ny renin'i Petera (Mar. 1.29) sy ny fanasitranana ny zanakavavin'i Jairo lehiben'ny [[sinagoga]] (Mar. 5.37; Lio. 8.51).
 
I Joany dia niditra an-tsehatra tamin'ny anaran'ireo mpianatra izay nisakana olona hanao fahagagana amin'ny anaran'i Jesoa (Mar. 9.38; Lio. 9.49)
Andalana faha-20:
I Jakoba sy i Joany, izay samy zanak'i Zebedio, dia nangataka ny mba hipetraka eo akaikin'i Jesoa rehefa tonga amin'ny voninahiny i Jesoa ka nahatezitra ny mpianatra sisa izany (Mar. 10.35-45).
 
I Petera sy i Jakoba ary i Andrea dia nanontany an'i Jesoa teo amin'ny [[Tendrombohitra Oliva]] (Mar. 13.3) ary nanambara tamin'i Petera sy i Jakoba ary i Joany izay natory ny fanahiany i Jesoa (Mar. 14.33<small>)</small>.
 
=== Araka ny Asan'ny Apostoly ===
Andalana faha-27:
Nanatrika ny nanasitranan'i Petera lehilahy malemy tongotra mpipetraka eo amin'ny vavahady Itsaraendrika fidirana ao amin'ny Tempoly i Joany teo amin'ny vavahady ka nidera an'Andriamanitra. Nahavory vahoaka betsaka izy ireo tamin'izany (Asa 3.1-11).
 
Nisambotra an'i Petera sy an'i Joany ny mpisorona be sy ny [[Sadoseo]] noho izy ireo nanao fahagagana tamin'ny anaran'i Jesoa ka nitondra azy teo anatrehan'ny [[Sanedrina|Sinedriona]] (Asa 4.1-19).
 
Nalefa tany Samaria izay efa nitoriana ny filazantsara i Petera sy i Joany ka nametra-tanana tamin'ny olona mba hilatsahan'ny [[Fanahy Masina]] (Asa 8.14-25).
 
=== I Joany apostoly sy ny Filazantsaran'i Joany ===
Ny tsy fahitana ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Evanjelin'i Joany]] ireo sombin-tantara andraisan'i Joany zanak'i Zebedio anjara ao amin'ny [[Filazantsara sinoptika|Evanjely sinoptika]], toy ny fananganan-ko velona ny zanakavavin'i Jairo na ny fiovan-tarehy teny an-tendrombohitra, dia mampanontany tena ny amin'i tenan'i [[Jaona (evanjelistra)|Joany avanjelista]].
 
== Ireo soratra lazaina fa asan-tanan'i JaonaJaany apostolynapostoly ==
Ny [[lovantsofina]] kristiana dia manao an'i Joany apostoly ho nanoratra ny Evanjelin'i Joany. Izany lovantsofina izany dia mampitovy an'ilay "mpianatra tian'i Jesoa" amin'i Joany avanjelista. Lazaina koa fa i Joany apostoly no nanoratra ireo boky mamorona ny atao hoe "tahirin-tsoraratr'i Joany", dia :
 
* ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Evanjely araka an'i Joany]],
Andalana faha-43:
* ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsin'i Joany]].
 
Mpikaroka maro anefa no manohitra ny maha nanoratra evanjely an'i Joany apostoly sy ny maha olon-tokana ny nanoratra ireo boky ao amin'ny tahirin-tsoratratsoratr'i Joany. Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa ny nanoratra ny Evanjelin'i Joany dia i Joany ilay ZokiolonaZokiny nefa tsy eken'ny mpikaroka hafa izany.
 
== Jereo koa: ==