Tantaran'i Sozana : Fahasamihafan'ny versiona roa

tsy misy ambangovangom-panovana
k
[[Sary:Gerrit van Honthorst cat01.jpg|vignette|352x352px|''I Sozana sy ireo antidahy,'' nataon'i Gerrit van Honthorst]]
Ny '''Tantaran'i Sozana''' na '''I Sozana sy ireo lahiantitra''' dia tantaran'ny zazavavy atao hoe Sozana izay narahin'ny lahiantitra roa maso tamin'izy nandro sy nasain'izy ireo handry amin'izy ireo nefa nandà izany ka nampangain'izy roalahy ho mpijangajanga mba hamonoana azy nefa niaro azy i [[Daniela]] ka nanaporofo ny maha tsy manan-tsiny azy. Tamin'ny faranfarany dia ireo lahiantitra ireo no nohelohina. Ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] ao amin'ny [[Baiboly katolika]] sy ireo [[Baiboly ortodoksa]] (Dan. 13) no misy azy fa tsy hita ao amin'ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) sy ny [[Baiboly protestanta]]. Ao amin'ny [[Septoaginta|Septoanjinta]] dia boky manokana, fa tsy mitambatra amin'ny Bokin'i Daniela, ny Tantaran'i Sozana. Ataon'ny Katolika ho isan'ireo soratra [[Boky deoterokanonika|deoterokanonika]] io tantara io.
 
== Fandraisana ny ''Tantaran'i Sozana'' ==
Ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] ao amin'ny [[Baiboly katolika]] sy ireo [[Baiboly ortodoksa]] (Dan. 13) no misy azy fa tsy hita ao amin'ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) sy ny [[Baiboly protestanta]]. Ao amin'ny [[Septoaginta|Septoanjinta]] dia boky manokana, fa tsy mitambatra amin'ny Bokin'i Daniela, ny Tantaran'i Sozana. Ataon'ny Katolika ho isan'ireo soratra [[Boky deoterokanonika|deoterokanonika]] io tantara io.
 
Ity tantara ity, izay tsy voasoratra tamin’ny [[Fiteny hebreo|fiteny hebreo]] na [[Fiteny arameana|arameana]] fa tamin’ny [[Fiteny grika|fiteny grika]], dia tsy noraisin’ny Protestanta sy ny Jiosy any Palestina ho kanonika ao amin’ny Baiboliny.
 
== Fizaràn'ny ''Tantaran'i Sozana'' ==
 
* I Sozana, vehivavy nitandro ny fahamendrehany (Dan. 13.1-4)
* Raiki-pitia amin'i Sozana ny loholona jiosy roalahy (Dan. 13.5-14)
* Niampanga an'i Sozana ho ratsy fitondran-tena ireo loholona ireo (Dan. 13.15-43)
* Asehon'i [[Daniela]] fa tsy meloka i Sozana (Dan. 13.44-64)
 
== Jereo koa: ==
24 078

modifications