Asiria: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba faritra ara-tantara any Azia andrefana
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 26 Febroary 2019 à 09:24

I Asiria dia faritra ao avaratr'i Mesopotamia tamin'ny Andro Taloha. Avy amin'ny anaran'ny tanànan'i Asora izay anaran'ny andriamanitra mpiaro azy koa, ny anaran'io faritra io. Avy tamin'izany faritra izany no nipoiran'ny fanjakana matanjaka tamin'ny taonarivo faha-2 izay nanjary empira taty aoriana. Tamin'ny taonjato faha-8 sy faha-7 tal. J.K. dia nifehy ny faritra izay nivelatra manerana na amin'ny ampany amin'ny firenena maro ankehitriny, toa an'i Iràka, i Siria, i Libàna (na Libanona), i Torkia ary i Iràna.