Fariseo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''[[Fariseo]]''' ireo [[Jiosy]] amin'ny antoko iray tao [[Jodea]] nandritra ny vanimpotoan'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] Faharoa, izany hoe tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe [[farisaisma]] na farizianisma ny firehan-kevitra ara-pivavahan'izy ireo. Maro ny fampianaran'ny Fariseo izay tafakambana ao amin'ny lovatsofin'ny Raby. Miavaka ny fampianaran'ny Fariseo noho izy mifototra amin'ny [[Torah am-bava]] mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin'ny Fariseo dia ny boky nosoratan'i [[Flavio Josefa]] sy ny [[Testamenta Vaovao]] ary ny soratr'ireo [[Raby]].
 
== Ny anarany ==
Ao amin'ny soratr'i [[Flavio Josefa]] no nahitana voalohany ny firesahana ny amin'ny Fariseo<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le Judaïsme ancien du'' vi''e siècle avant notre ère au'' iii''e siècle de notre ère : Des prêtres aux rabbins'', PUF, coll. « Nouvelle Clio », 2012 (<nowiki>ISBN 978-2130563969</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 235</small></ref> raha tantarainy ny nisarahan'i Joany Hirkana tamin'io antoko io ka nikambana tamin'ny [[Sadoseo]]<ref><small>Mireille-Hadas Lebel, ''Le contexte historique des débuts du Talmud : Le conflit entre pharisiens et saducéens'', conférence pour ''Akadem'', campus numérique juif, 28/05/2007, [http://www.akadem.org/sommaire/themes/histoire/ere-biblique/juifs-et-grecs/le-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php conférence en ligne] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.akadem.org%2Fsommaire%2Fthemes%2Fhistoire%2Fere-biblique%2Fjuifs-et-grecs%2Fle-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php tahiry]]</small></ref>. Tamin'io fotoana io ihany koa no nampalaza ny firesahana ny amin'ny Fariseo ao amin'ny [[Filazantsara]].
 
Ny teny hoe ''Fariseo'' dia avy amin'ny [[teny grika]] hoe ''Φαρισαῖος'' / ''Pharisaios'' izay avy amin'ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] hoe פְּרִישָׁא / ''P<sup>e</sup>rîshâ'' (פְּרִישַׁיָּא / ''P<sup>e</sup>rîshayyâ'' raha amin'ny endrika milaza maro) izay midika hoe "voasaraka". Io indray dia mifandray amin'ny teny hebreo hoe פָּרוּשׁ / ''pârûsh'' (פְּרוּשִׁים / ''p<sup>e</sup>rûshîm'' raha amin'ny endrika milaza maro). Avy amin'ny matoanteny hebreo hoe פָּרַשׁ / ''pârash'' izay midika hoe "manambara" na "manasaraka" na "manazava".
Andalana faha-20:
anoloana io fiovana ara-piarahamonina sy ara-toekarena io, mba hahatonga azy ireo tsy hilaozan'ny toetrandro<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 409</small></ref>. Nekeny ny fivoarana miandalan'ny fivoasana ny lalàna. Ny lalàna am-bava (Torah am-bava izay atao hoe koa "lovantsofin'ny razana") no iankinany amin'izany. Mampiavaka ny fisainan'ny Fariseo io atao hoe Torah am-bava io izay nivoatra hatramin'ny vanimpotoana persiana.
 
Nifanohitra ny [[Eseniana]] (antoko tao amoron'ny Ranomasina Maty) sy ny Fariseo araka ny soratanam-piraketana iray tao amin'ny [[Ranomasina Maty]]<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 406</small></ref>, ka ireto ireo zavatra tsy nifanarahana ireo: ny fahadiovana takin'ny fombam-pivavahana, ny firavoravoana, ny fitantanana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary ny mpisorona. Tsy mitovy ny fahazoan'izy ireo ny Lalàna. Eken'ny Fariseo ny fampifanarahana ny Lalàna amin'ny zava-misy iainana fa ny Eseniana kosa mandray amin'ny fomba hentitra ny Lalàna, ka aleony mifady ny fanao sarotra toy izay ho azon'ny fahalotoana ara-pivavahana.
 
==== Fiantraikan'ny fisainan'ny Fariseo ====
Ilay fampifanarahana amin'ny zava-misy nataon'ny Fariseo dia nahatonga azy ireo hanaiky ny fiakaran'ilay Hasmoneana atao hoe Simona eo amin'ny asam-pisoronana, na dia tsy taranak'i Zadoka na Sadoka na Tsadoka (atao hoe Zadokida na Sadokida na Tsadokida) aza izy. Tamin'ny fanapahan'ny Hasmoneana dia nifaninana tamin'ny [[Sadoseo]] sy ny antoko hafa ny Fariseo teo amin'ny fitarihana ara-panahy an'i [[Jodea]] sy ny vahoaka jiosy. Nankasitrahin'ny maro anisa<ref name=":0" /> izay nahitana tantsaha sy tandrenivohitra nafana fo amin'ny vavaka ny antokon'ny Fariseo. Ny Sadoseo kosa dia niaro ny tombontsoan'ny saranganan'ny mpisorona izay nifamatotra hatrizay tamin'ny fahefana ara-politika. Tamin'ny andron'i Joany Hirkana dia nandaitra teo amin'ny vahoaka ny hevitry ny Fariseo sady nanakaiky kokoa ny mpitondra izy ireo. Tsy nankasitraka ny fitiavan'i Hirkana manita-panjakana sy ny faty olona ary ny harena lany naterak'izany anefa izy ireo. Tsy nankasitrahan'ny sasany tamin'izy ireo koa ny fivangongoan'ny fahefana ara-politika sy ara-pivavahana amin'olon-tokana<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 412</small></ref>. Noho izany dia nihavery ny toeran'izy ireo tao amin'ny lapan'ny Hasmoneana. Neken'izy ireo ny niakaran'i Heroda I Lehibe teo amin'ny fitondrana na dia Idomeana (Edomita) aza izy, satria afaka niantoka ny fandriam-pahalemana sy ny fahaleovan-tenan'ny fivavahana i Heroda<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 417</small></ref>. Ho setrin'izany dia nankasitrahan'ny vahoaka i Heroda noho ny namelany malalaka ny Fariseo.
 
Lazain'i Flavio Josefa ho mpikatsaka fahefana politika ny Fariseo. Tamin'ny fanapahan'ny mpanjakavavy Salome Aleksandra dia nanara-maso ny fahefana politika izy ireo sady nifehy ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]]. Tsy misy anefa porofo ahafaha-milaza fa izy ireo no antoko natanjaka indrindra nandritra ny vanimpotoana hasmoneana sy romana<ref><small>Lester L. Grabbe, ''Judaic Religion in the Second Temple Period : Belief and Practice from the Exile to Yavneh'', Routledge, 2000 (<nowiki>ISBN 0-415-21250-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 185-199, <abbr>p.</abbr> 199</small></ref>.
Andalana faha-36:
 
==== Fitsikerana ny Fariseo ====
Nitsikera matetika ny Fariseo i Jesosy, idrindra ny amin'ny fanizingizinan'izy ireo ny lalàn'ny fombam-pivavahana sy ny fanao momba ny fahadiovana. Nanozona ny Fariseo i [[Jesosy]] araka ireo Filazantsara ireo, ohatra ao amin'ny [[Evanjelin'i Matio]] (Mat. 23.13; 23.16).
 
Ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|Evanjelin'i Lioka]] ilay fanoharana ny amin'ny Fariseo sy ny mpamory hetra (mpiasan'ny fanjakana romana izay tena tsy tian'ny vahoaka jiosy) dia maneho ny fahambonian'ny mpamory hetra, izay niaiky ny maha mpanota azy ka nanagataka ny famindram-pon'Andriamanitra, raha miohatra amin'ny Fariseo izay manadra-tena amin'ny fitandremany ny fitsipika ka mihevi-tena ho ambony noho ny hafa<ref><small>Roger Martin du Gard, ''Les Thibault'', 1922, p. 732</small></ref>.
 
Raha ny tena marina dia ny Fariseo mpihatsara velatsihy no tsikerain'i Jesosy (Mat. 6), izany hoe ireo tsy mampisy dikany ny tsy manam-pahaizana sy ny mpanota araka ny fitsarany azy ireo amin'ny lalàny (Lio. 18.9-14), izay manome lanja tafahoatra ny fisehoana ivelany amin'ny fivavahana ka miavonavona eo anatrehan'Andriamanitra, sady mihevitra fa manam-pahefana amin'Andriamanitra amin'ny fanatanterahan'izy ireo ny fanaony (Mat. 20.1-16; Lio. 15).