Eseniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Eseniana]] dia ireo olona tao amin'ny antoko mpanaraka ny [[jodaisma]] tamin'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa izay niroborobo nanomboka tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sady nanomboka fanta-pisiana tamin'ny taonjato voalohany tao Palestina.
 
Araka an'i [[Flavio Josefa]] dia iray amin'ireo antoko telo lehibe teo amin'ny fiarahamonina jiosy tao Palestina ny Eseniana (ny roa hafa dia ny [[Fariseo]] sy ny [[Sadoseo]]). Fikambanan'olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady manatanteraka filomana an-drano isan'andro sady mifady ny fahafinaretana eto amin'izao tontolo izao.
 
Nalaza ny Eseniana tamin'izao vaninandro vaovao izao noho ny fahitana ny tahirim-boky ara-pivavahana nanomboka tamin'ny taona 1947 izay nomena ny anarana hoe "Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty", ka zato eo ho eo amin'ny 870 no mety ho soratry ny Eseniana, na an'antoko mitovitovy aminy izay nitondra ny anarana hoe ''Yahad'' ("Firaisana") ao amin'ny soratra miisa telopolo eo. Na dia izany aza dia tsy ifanarahan'ny mpikaroka rehetra izany fampitoviana ny Eseniana amin'ny Yahad izany.