Jeho: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fanjakan'i Israely
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Jeho''' dia mpanjakan'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]], zanak'i [[Josafata]] sady(tsy mpandimbympanjaka) azy arysy zafikelin'i Nimsy. Tamin'ny taona 841 hatramin'ny 814 tal. J.K. no nanjakany ka 28 taona ny faharetan'izany. Araka ny [[Baiboly]] dia mpitari-tafiky ny mpanjaka [[Jorama (mpanjakan'i Israely)|Jorama]] i Jeho. Tamin'ny faharesena tao amin'ny fanaovam-pahirano an'i Ramota ao Galaada (na Ramota-Gileada) izay nampandratra an'i Jorama dia nitarika ny tafika hanongana an'i Jorama i Jeho ka namono an'i Jorama tao Jezrela (na Jezraela) tamin'ny alalan'ny zana-tsipìka natsatoka tao an-damosiny ka nanipy ny fatiny tany an-tsahan'i Nabota izay novonoin'ny ray aman-drenin'i Jorama (dia ny mpanjaka [[Ahaba]] na Akaba sy i [[Jezebela]] na Jezabela) tany aloha. Novonoin'i Jeho koa ireo zanak'i Jorama sy i Jezebela reniny. Tanteraka noho izany ny faminanian'i [[Elia]] ny amin'ny hamalian'Andriamanitra an 'i Jezebela sy ny fandimbiasana an'i Jorama.
 
Atao hoe יֵהוּא‬ / ''Yehu izy'' amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] fa ''Iehu'' amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]]. Ao amin'ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] no ahitana ny tantarany.