Zimry: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fanjakan'i Israely
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Zimry''' dia iray amin'ireo mpitari-tafiky ny mpanjaka israelita atao hoe [[Ela (mpanjakan'i Israely)|Ela]] izay zanaky ny mpanjaka [[Baasa]]. Nanararaotra ny hamamoan'i Ela izy ka namono azy tao Tirza (na Tirtsa) izay nonenan'ny mpanjaka Ela. Novonoin'i Zimry koa ny lehilahy rehetra tamin'ny fianakavian'i Baasa. Araka ny [[Baiboly]] dia fitaovana nanehoan'i [[Iahveh]] ny hatezerany amin'ny fahotan'ny fianakavian'i Baasa i Zimry. Araka ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] (1Mpanj. 16.10.-15) dia tsy nanjaka afa-tsy fito andro i Zimry satria namono tena tamin'ny alalan'ny fandoroany ny efitra misy azy ao amin'ny lapan'ny mpanjaka ka maty tao noho ny fatahorany ny fikomian'ny vahoaka izay nanao fahirano azy.
 
Tsy nanan-janaka handova azy eo amin'ny fanjakana izy ka i [[Omry]] mpitari-tafiny no nandimby azy rehefa avy nampamono an'i Tibny zanak'i Ginata izay niady ny seza fiandriana taminy. Atao hoe זִמְרִי / ''Zimrī'' izy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] fa ''Zambri'' amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]].
 
== Jereo koa: ==