Ozia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny mpanjakan'i Jodà
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
I '''Ozia''' na '''Oziasa''' izay atao hoe koa '''Azaria''' na '''Azariasa''' dia mpanjakan'i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]], zanak'i [[Amazia]] (na Amaziasa) tamin'i Jekolia, izay nanjaka nandritra ny 52 taona teo antenantenan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ao amin'ny [[Baiboly]] dia voalaza fa mpitari-tafika sady mpanjaka nampiroborobo ny fanorenana izy sady nampandroso koa ny fambolena talohan'ny nahazoan'ny aretina haboana azy. Nitovitovy vaninandro iainana tamin'ny mpaminany [[Isaia (mpaminany)|Isaia]] (na Izaia) sy [[Hosea (mpaminany)|Hosea]] (na Osea) ary i [[Amosa]] (na Amosy) izy.
 
Atao hoe עֻזִּיָּה /''ʿUziyāh'' na עֲזַרְיָה /''ʿAzaryāh'' na עֲזַרְיָהוּ ''/ʿAzaryāhû'' izy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] fa ᾿Οζίας / ''Ozias'' na ᾿Αζαρίας / ''Azarias'' amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] ary ''Ozias'' na ''Azarias'' amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]]. Ny dikan'ny anarana hebreo hoe עֻזִּיָּה (''ʿUziyāh'') dia "heriko i Iahveh" - fa ny hoe עֲזַרְיָה (''ʿAzaryāh'') na עֲזַרְיָהוּ (''ʿAzaryāhû'') dia "nanampy i Iahveh".
 
== Jereo koa: ==