Filaza toe-javatra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fitsipiteny
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''[[Filaza toe-javatra|filaza toe-javatra]]''' dia endriky ny [[Matoanteny|matontenymatoanteny]] izay matetika afaka mitana ny [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]]<nowiki/>n'ny [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] toe-javatra. Ao amin'ny teny frantsay dia atao hoe filaza toe-javatra ny [[ova-matoanteny]] ankehitriny ialohavan'ny mpampiankin-teny ''en'' (ohatra: ''en chantant''). Raha heverina ho [[fehezankevitra]] ny tarika matoanteny amin'ny filaza toe-javatra dia tsy ho fehezan-kevitra mahaleo tena izany fa fehezankevitra miankina. Ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] (na lafika) miaraka amin'ny matoanteny amin'ny filaza toe-javatra dia mitovy amin'ny lazaina an'ny fehezankevitra iankinany ka tsy ilaina ny haverenana azy indroa. Sady miasa amin'ny maha matoanteny azy ny matoanteny amin'ny filaza toe-javatra no miasa tahaka ny [[tambinteny]]. mitana ny anjara asa mpamari-toe-javatra izy.
 
Ampiasaina hilazana ny fiaraha-misehon'ny asa na toetra lazainy amin'ny asa na toetra lazaina ao amin'ny fehezankevitra inankinany ny matoanteny amin'ny filaza toe-javatra. Ohatra: ''<u>En rentrant</u>, j'ai croisé mon père'' ("Nifanena tamin-draiko aho <u>rehefa nody</u>").
 
Ahitana filaza toe-javatra ny fiteny latina, frantsay, anglisy, espaniola, portogey, rosiana, italiana, romaniana, katalàna, sns, nefa tsy mitovy ny anjara asa sahanin'ny matoanteny amin'ny filaza toe-javatra ao amin'ny fehezanteny isam-piteny.
 
 
== Jereo koa: ==