Ova-matoanteny: Fahasamihafan'ny versiona

k
tsy misy ambangovangom-panovana
(Nanitatra)
kAucun résumé des modifications
Ny '''[[ova-matoanteny]]''' dia endriky ny [[matoanteny]] izay sady afaka mitana ny anjara asan'ny matoanteny no afaka mitanasy ny anjara asan'ny [[mpamari-toetra]].
 
== Filazam-potoana sy fanehoan-javatra ary fiendrika ==
 
=== Filazam-potoanapotoan'ny sy fanehoanova-javatramatoanteny ===
 
==== Filazam-potoan'ny ova-matoanteny ====
Ao amin'ny fitsipiteny mahazatra dia anarany fotsiny ny filazana ny endriky ny ova-matoanteny ho filazam-potoana. Amin'ny ankapobeny, na ny ova-matoanteny ankehitriny na ny ova-matoanteny lasa dia tsy milaza fotoana fa milaza [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]]: ny ankehitriny ho an'ny [[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|fanehoan-javatra tsy efa]] fa ny lasa ho an'ny [[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|fanehoan-javatra efa]].
 
Amin'ny fiteny sasany toy ny fiteny latina dia misy koa ny ova-matoanteny hoavy, ankoatry ny ova-matoanteny ankehitriny sy ny ova-matoanteny lasa ka azo raisina ohatra ny hoe ''morituri'' ("ireo izay ho faty") izay ova-matoanteny hoavin'ny hoe ''morire'' ("maty")
 
==== Ova-matoanteny enti-mamorona endri-pilazam-potoana ====
Ao amin'ny fiteny sasany dia ampiasaina miaraka amin'ny [[matoanteny andry]] ny ova-matoanteny mba hahazoana ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] na/sy ny [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] sasany.
 
Ao amin'ny fiteny anglisy ihany dia ampiasaina miaraka amin'ny [[Matoanteny mpanampy|matoanteny mpanampy]] ''be'' ny ova-matoanteny ankehitriny (-''ing'') mba hahazoana ireo filazam-potoana amin'ny [[Fanehoan-javatra mitohy sy tsy mitohy|fanehoan-javatra mitohy]] toy ny filazam-potoana ankehitriny mitohy (anglisy: ''present continuous'') sy ny filazam-potoana lasa efa (anglisy: ''past continuous'') sns.
 
=== Ova-matoanteny sy fiendrika ===
 
==== Fiendriky ny ova-matoanteny ====
Ao amin'ny fiteny sasany misy an'io endri-matoanteny io dia misy karazany roa ny ova-matoanteny raha ny [[fiendrika]] no resahina, dia ny atao hoe ova-matoanteny mañano sy ny ova-matoanteny anoina.
 
Amin'ny fiteny frantsay, ho an'ireo matoanteny mihatra dia amin'ny [[Fiendrika mañano|fiendrika manano]] ny ova-matoanteny ankehitriny (ohatra: ''La fille chant'''ant'''e'') fa amin'ny [[Fiendrika anoina|fiendrika anoina]] kosa ny ova-matoanteny lasa (ohatra: ''Les chansons chant'''é'''es''). Torak'izany koa ny miseho amin'ny fiteny anglisy, ho an'ireo matoanteny mihatra dia amin'ny [[Fiendrika mañano|fiendrika manano]] ny ova-matoanteny ankehitriny fa amin'ny [[Fiendrika anoina|fiendrika anoina]] kosa ny ova-matoanteny lasa.
 
==== Ova-matoanteny ampiasaina hahazoana fiendrika ====
Ao amin'ny fiteny sasany koa dia ampiasaina miaraka amin'ny [[matoanteny mpanampy]] ny ova-matoanteny lasa mba hahazoana ny [[fiendrika]] anoina mifandraika amin'ny matoanteny amin'ny fiendrika mañano. Ao amin'ny fiteny frantsay dia ampiasaina ny [[Matoanteny mpanampy|matoanteny mpanampy]] ''être'' ampiana ny ova-matoanteny lasa mba hahazoana ny fiendrika anoina. Ao amin'ny fiteny anglisy dia ampiasaina toy izany koa ny [[Matoanteny mpanampy|matoanteny mpanampy]] ''be'' ampiana ny ova-matoanteny lasa mba hahazoana ny fiendrika anoina.
 
=== Ova-matoanteny ao amin'ny fiteny rosiana ===
Ao amin'ny fiteny rosiana dia miavaka tsara ny filazam-potoana sy ny fiendrika raha ny ova-matoanteny no resahina, ka misy ny '''ova-matoanteny ankehitriny manano''' sy ny '''ova-matoanteny ankehitriny anoina''' sy ny '''ova-matoanteny lasa manano''' ary ny '''ova-matoanteny lasa anoina'''. Ankoatr'izany dia mifandrindra amin'ny filaza isa sy ny kilahivavy ny ova-matoanteny rosiana.
 
28 236

modifications