Fanehoan-javatra (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
Ireto ny karazana fanehoan-javatra fahita matetika amin'ny fiteny maro:
 
*[[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|Fanehoan-javatra efa]] (sy ny mifanohitra aminy);
*[[Fanehoan-javatra mifintina sy mivelatra|Fanehoan-javatra mifintina]] (sy ny mifanohitra aminy).
 
=== Fanehoan-javatra efa sy tsy efa ===
Andalana faha-11:
 
==== Fanehoan-javatra efa ====
Ny [[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|fanehoan-javatra efa]] dia milaza fa tapitra tateraka ilay asa na toetra lazain'ny matoanteny ka efa mihoatra ara-potoana ny fangitra voafaritra ka noho izany tsy misy intsony nefa ny vokany no mety mbola ho eo. Matetika mifangaro amin'ny fanehoan-javatra mifintina ny fanehoan-javatra efa ao amin'ny fiteny tsy manana marika hanavahana izany. Amin'ny teny frantsay dia ireo mari-potoana tambatra (tsy misy [[Matoanteny mpanampy|matoanteny mpanampy]]) no maneho izany.
 
==== Fanehoan-javatra tsy efa ====
Andalana faha-68:
'''Ao amin'ny fiteny anglisy'''
 
Ao amin'ny [[fiteny anglisy]] dia ampiasaina ny mpanampy ''have'' arahin'ny [[Ova-matoanteny lasa|ova-matoanteny lasa]] ho mariky ny fanehoan-javatra efa. Ampiasaina koa ny mpanampy ''be'' arahin'ny [[Ova-matoanteny ankehitriny|ova-matoanteny ankehitriny]] ho mariky ny [[Fanehoan-javatra mitohy sy tsy mitohy|fanehoan-javatra mitohy]] na mivoatra.
 
* ''I <u>drank</u> water after having eaten rice'' ("Nisotro rano aho rehefa avy nihinam-bary")
Andalana faha-76:
 
=== Fanehoan-javatra reniteny ===
Ny mari-panehoan-javatra reniteny dia matetika matoanteny na tarika matoanteny na sokajin-teny hafa ampiasaina hananterana ny fanombohana na ny famaranana, ny fidirana na ny fivoahana, ny fahataperana na ny fitohizana eo amin'ny asa na ny toetra lazain'ny matoanteny na teny hafa azo atao [[entimilaza]] afaka mandray mari-panehoan-javatra. Indraindray dia sarotra ny hanavahana ny anjara asa fanehoan-javatra sy ny anjara asa mari-potoana ao amin'ny alalan'ireo reniteny ireo.
 
==== Ao amin'ny fiteny frantsay ====
Ao amin'ny teny frantsay dia ahitana ny hoe ''commencer à'' ("manomboka") sy ''finir de'' ("mamarana") ary ny hoe ''être en train de'' ("eo am-panaovana"), raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, ka arakarahin'ny [[filaza tsy mitanisa]] mba hanehoana ny fanombohana na ny famaranafamaranana na ny fitohizan'ny asa na ny toetra lazaina ao amin'ny matoanteny.
 
Ohatra:
Andalana faha-87:
 
==== Ao amin'ny fiteny anglisy ====
Amin'ny [[Fiteny anglisy|fiteny anglisy]] dia ampiasaina ny matoanteny ''begin'' ("manomboka") hilazana ny fanombohan'ny asa na ny toetra ambaran'ny matoanteny.
 
=== Fanehoan-javatra ara-keviteny ===
Ny matoanteny tsirairay dia mitondra fanehoan-javatra ao amin'ny hevitra maha reniteny azy izay tsy miseho ety ivelany amin'ny alalan'ny endriny. Izany no fanehoan-javatra ara-keviteny. Misy, ohatra, ny matoanteny manana [[Fanehoan-javatra mifetra sy tsy mifetra|fanehoan-javatra ara-keviteny mifetra]] sady misy ny matoanteny manana [[Fanehoan-javatra mifetra sy tsy mifetra|fanehoan-javatra ara-keviteny tsy mifetra]]. Ny fotoana ahafahan'ilay asa na toetra mifandraika amin'ny matoanteny no voafetra na tsy voafetra.
 
Ny entimilaza mifetra (matoanteny mifetra sns) dia entimilaza ilazana asa na toetra tsy maintsy mifarana fa ny entimilaza tsy mifetra kosa dia entimilaza izay ilazana asa na toetra tsy mitsahatra ho azy raha tsy misy hery ivelany (ny mpanao na zavatra hafa) mampitsahatra azy sady azo ampaharetina araka izay ao atao. Tsy ireo roa ireo ihany anefa ny fanehoan-javatra ara-keviteny fa misy maro hafa koa. matetikaMatetika dia ny [[Fanehoan-javatra mifintina sy mivelatra|fanahoan-javatra mifintina]] na [[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|efa]] no mikambana amin'ny fanehoan-javatra mifetra fa ny [[Fanehoan-javatra mifintina sy mivelatra|fanehoan-javatra mivelatra]] na [[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|tsy efa]] kosa no miaraka amin'ny tsy mifetra.
 
==== Ao amin'ny fiteny malagasy ====
NyAo amin'ny fiteny malagasy, ny matoateny hoe ''teraka,'' ''mihoatra,'' ''mitelina'' (afa-tsy hoe averimberina) dia mifetra fa ny matoanteny hoe ''matory'', ''mivelona,'' ''mahalala,'' dia tsy mifetra.
 
==== Ao amin'ny fiteny frantsay ====
Izany no mahatonga ny matoanteny tsy mifetra frantsay ho mety kokoa raha atao amin'ny filazam-potoana ankehitriny (frantsay: ''présent'') na lasa tsy efa (frantsay: ''imparfait'') ao amin'ny [[Filaza tsotra (fitsipiteny)|filaza tsotra]] (frantsay: ''indicatif'') fa ny matoanteny mifetra kosa ho amin'ny filazam-potoana lasa tambatra (frantsay: ''passé composé'') na amin'ny lasa tsotra (frantsay: ''passé simple''). Ohatra, ny matoanteny frantsay hoe ''predre'' ("mandray") dia mifetra fa ny hoe ''tenir'' ("mihazona") kosa dia tsy mifetra.
 
* ''Il a pris ma main''. ("Noraisiny ny tanako")
Andalana faha-116:
* ''покупáть'' /pakupát'/ vs ''купить'' /kupít'/ ("mividy")
* ''съедáть'' /s'edat'/ vs ''съесть'' /s'est'/ ("mihinana")
* ''убегáть'' /ubegat'/ vs ''убе'''ж'''ать'' /ubizhatubižat'/ ("mihazakazaka")
 
Ampiasaina ireo matoantany voalohany hilazana asa na toetra afaka mitohy lava na miverimberina na mahazatra fa ny matoanteny faharoa kosa ampiasaina hilazana asa na toetra tsy voafetra na miseho indray mandeha.
 
==== Ao amin'ny fiteny espaniola ====
Ny [[Fiteny espaniola|fiteny espaniola]] dia manana matoanteny mpanampy izay mitovitovy dika raha tsy heverina ny fahasamihafan'ny fanehoan-javatra ampitainy, dia ny matoanteny ''ser'' sy ''estar'' izay samy adika amin'ny teny frantsay hoe "être".
 
== Jereo koa: ==