Zôdiaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy namafa sorara tsy ilaina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-7:
 
=== Antokon-kintan'ny zodiaka ===
Ny antokon-kintan'ny zodiaka dia ampahany amin'ny antokon-kintana rehetra izay hoatry ny andalovan'ny masoandro sy ireo planetan'ny masoandroMasoandro. Ireto ny anaran'ny antokon-kintana telo ambin'ny folon'ny zodiakan-kainkintana amin'ny fiteny latina:
 
* ''Aries'' ("ondrilahy")
Andalana faha-103:
 
==== Ny zodiaka mihodina ====
Ny zodiaka mihodina (na zodiakam-panadroana) dia zodiaka tsy manaraka ny fihodin'ny kintana fa manaraka ny an'ny masoandroMasoandro sy ny fizaran-taona ka misy tsy fitovizany amin'ny zodiakan-kintana. Ny zodiaka mihodina no fampiasa indrindra amin'ny fanadroana na dia lazaina fa ny kintana no fototry ny fanandroana. Na dia izany aza dia misy ny fanandroana tena mifototra amin'ny zodiakan-kintana na ny antokon-kintan'ny zodiaka mihitsy.
 
==== Inty ny fafana maneho ny tsy fitovian'ny zodiaka roa ireo: ====
Andalana faha-251:
 
=== Ny zodiaka sy ny fanandroana amin'ny ankapobeny ===
Ny evan'ny zodiaka dia ampasaina amin'ny fanandroana mba hatao fiaingana ara-potoana sy arak'erana ka ahafahana manao ny fampifandraisana izay fototr'ity fanao ity. Ampiasaina ao amin'ny fanandroana ny zavatra isankarazany toy ny [[planeta]], ny [[Masoandro]], ny [[Volana]], faravodilanitra ary ny faritra na teboka amin'ny vohon'ny tany manadrify ny Masoandro mitatao vovonana. Ny fananadroana miankina amin'ny zodiaka dia misy karazany roa koa noho izany, dia ny fanandroan-kintana (frantsay: ''astrologie sidérale'') sy ny fanandroan-mihodina (frantsay: ''astrologie tropicale'').
 
==== Ny fanandroan-kintana ====
Ny fanandroan-kintana (frantsay: ''astrologie sidérale'') dia miankina tanteraka amin'ny kintana na ny antokon-kintana (antokon-kintan'ny zodiaka indrindra) izay azo jerena tokoa eny amin'ny lanitra. Mety ho ny maso fotsiny no enti-mijery izany mivantana na amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana moderna.
 
==== Ny fanandroa-mihodina ====
Ny fanandroan-mihodina (frantsay: ''astrologie tropicale'') kosa dia miankina amin'ny fizaran-taona faritan'ny toerana misy ny masoandro miohatra amin'ny tany. Ity fanandroana ity no be mpampiasa indrindra na dia efa tsy mifanaraka amin'ny antokon-kintana aza.
 
Miteraka olana ny tsy fahaiza-manavaka azy roa ireo. Ohatra, ny olona iray teraka ao amin'ny evan'ny ''Adimizana'' (23 Septambra - 22 Oktobra) dia tsy teraka ao amin'ny fotoan'ny antokon-kintana ''Adimizana'' (30 Oktobra - 20 Novambra) noho ny tsy fifanarahana misy amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny evan'ny zodiaka. Toy izany koa raha misy olona lazaina fa teraka manandrify ny antokon-kintana ''Alakaosy'' (18 Desambra - 20 Janoary) dia tsy teraka amin'ny evan'ny ''Alakaosy'' izy (23 Novembra - 21 Desambra).