Volana (fotoana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Volana (fotoana)|volana]] dia tsingerim-potoana na halavam-potoana izay mitovitovy halava amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] eny amin'ny habakabaka. Arakaraka ny [[tetiandro]] ampiasaina ny halavan'ny volana ka mety ho 28 ka hatramin'ny mihoatra ny 30 [[andro]] izany. Misy [[herinandro]] efatra na mahery ny ao anatin'ny iray volana raha ny herinandro iray misy fito andro. Misy 12 volana ny ao anatin'ny [[taona]] iray nefa mety hisy volana fanampiny izany arakaraka ny tetiandro ampiasaina ka hahatonga ny taona sasany hisy 13 volana. Manana anarana arakaraka ny tetiandro ampiasaina ny volana tsirairay ao anatin'ny taona iray.
 
== Anaram-bolanaNy volana gregoriana ==
Ny salam-paharetan'ny volana gregoriana dia 30,436875436 875 andro ao anaty efajato taona fa 30,4375 andro kosa anaty efatra taona.
 
==== Anaran'ny volana gregoriana sy faharetany ====
Ireto ny anaram-bolana ofisialy amin'ny teny malagasy ao anatin'ny iray taona amin'ny [[Tetiandro gregoriana|tetiandro be mpampiasa]] amin'izao: Janoary (31 andro), Febroary (28 na 29 andro), Marsa (31 andro), Avrily (30 andro), Mey (31 andro), Jona (30 andro), Jolay (31 andro), Aogositra (31 andro), Septambra (30 andro), Oktobra (31 andro), Novambra (30 andro), Desambra (31 andro). Ny tonatalin'ny andro anatin'ireo volana ireo dia 365 na 366 andro.
 
Ny [[Febroary]] dia mety ho soratana hoe ''Fevrie''; ny Marsa mety ho ''Martsa''; ny Mey mety ho ''May''; ny Jona mety ho ''Jiona''.
 
==== Ny fiavian'ny anaram-bolana modernagregoriana ====
Ny ankamaroan’ny anaram-bolana moderna dia anarana nanomezam-boninahitra ireo [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitry]] ny Romana sy ny emperora na kaisarany fony izy ireo [[Fanompoan-tsampy|nanompo sampy]]. Na dia lasa tanàna kristiana aza i Roma dia tsy nanan-kevitra hanova ireo anaram-bolana ireo ny mpitondra fivavahana izay nanam-pahefana tamin-javatra maro tamin'izany fotoana izany. Tsy nanova koa ireo antokom-pivavahana kristiana na hafa niforona taty aoriana, na dia ireo tsy te hanan-javatra ifandraisana amin'izay lazainy ho fanompoan-tsampy aza.
{| class="wikitable"
Andalana faha-91:
|}
 
== Aram-bolanaNy volana malagasy ==
[[Sary:South-Lunar libration with phase Oct 2007 450px.gif|vignette|164x164px]]
Misy karazany maro ny anaram-bolana malagasy, dia ny anarana avy amin'ny [[Fiteny arabo|fiteny arabo]] sy ny anarana avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|fiteny sanskrita]]. Ireo volana ireo dia misy 29 na 30 andro satria momba ny [[Tetiandro manara-bolana|tetiandro manara-bolana]] izay manaraka ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] izay maharitra 29,530 589 andro (na 29 andro 12 ora 44 minitra). Ny andro voalohany amin'ny volana tsirairay dia ny andro ahatsinanan'ny Volana eny amin'ny lanitra ka tsy misy daty raikitra mifanandrify aminy ao amin'ny [[Tetiandro gregoriana|tetiandro gregoriana]] izany satria ny salam-paharetan'ny volana gregoriana dia 30,436 875.
{| class="wikitable"
|Anaram-bolana avy amin'ny teny arabo