Fanandroana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Worms-rathaus-astrologie-uhr.jpg|vignette|294x294px]]
Ny [[fanandroana|'''fanandroana''']] dia fandalinana sy fampiharana ny fifandraisan'ny zava-mitranga eto an-tany amin'ny toerana misy ireo zava-mitsingevana eny amin'ny lanitra toy ny [[Masoandro]] sy ny [[Volana]] ary ny [[kintana]]. Ny mpanandro dia milaza fa ny toerana misy ireo zavatra ireo amin'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray sy ny fifindran-toeran'ireo zavatra ireo dia ahafaha-mamantatra ny toetr'io olona io sady ahafaha-mamantatra mialoha ny hoaviny.
 
== Ny nipoiran'ny fanandroana sy ny fivoarany ==
Ny fanandroana dia fanao efa elabe hatramin'ny fahagola izay nivoatra tao amin'ny kolontsain'ny firenena maro samihafa tsy mifampiankina. Ny [[Kaldeana]] tao [[Babilona]] dia efa nampiasa fanandroana tany amin'ny 3000 taona tal. J.K. fa ny [[Sinoa]] kosa tany amin'ny 2000 tal. J.K. Tany amin'ny taona 500 tal. J.K. dia niely tany tany [[Grisia]] ny fanandroana. Miresaka ny amin'izany ny filozofa toa an-dry [[Pitagora]]. Be mpanao tao [[Eoropa]] ny fanandroana nandritra ny [[Andro Antenantenany]], na dia nenjehin'ny [[Kristianisma|Fiangonana kristiana]] aza izany.
 
== Zavatra ampiasaina amin'ny fanandroana ==
Andalana faha-11:
Akoatry ny Volana sy ny Masoandro dia ampiasain'ny mpanandro koa ny kintana sy ny platena. Ireto avy ny anaran'ireo planeta fampiasa tranainy indrindra satria mora hitan'ny maso: i [[Venosy]], i [[Merkora]], i [[Marsa]], i [[Jopitera]] ary i [[Satorna]]. Nanampy azy ireo ny planeta hafa hitan'ny mpahay kintana taty aoriana toa an'i [[Oranosy]] (hita tamin'ny taona 1781), i [[Neptona]] (taona 1846) ary i [[Ploto]] (taona 1930).
 
Ampiasaina koa ny endriky ny fifandraisan'ny Masoandro amin'ny ny Volana na/sy ny planeta na/sy ny kintana iray, izany hoe ny zoro foronin'izy ireo (mifanindry: 0°, mifanohitra: 180°, mahitsizoro: 90°, sns.); torak'izany koa ny fifandraisan'ny Volana amin'ny zava-mitsingevana hafa ([[kintana]], planeta) na ny samy planeta na samy kintana.
 
==== Ny kintana sy ny antokon-kintana ====
[[Sary:OphiuchusCC.jpg|vignette|196x196px]]
Ny antokonkintanaantokon-kintana "andalovan'ny Masoandro" miisa telo ambin'ny folo na, raha ny tena marina, ny anaran'izy ireo, dia ampiasaina indrindra amin'ny fanandroana. Ireto ny anaran'ireo antokon-kintana ireo amin'ny teny latina ao amin'ny fanandroana tandrefana: ''Aries'' ("ondrilahy"), ''Taurus'' ("ombilahy"), ''Gemini'' ("kambana"), ''Cancer'' ("foza"), ''Leo'' ("liona"), ''Virgo'' ("virijina"), ''Libra'' ("mizana"), ''Scorpio'' ("maingoka"), ''Ophiuchus'' (na ''Serpentarius'' "mpitondra bibilava"), ''Sagittarius'' ("mpitondra tsipika"), ''Capricorn'' ("osy-trondro"), ''Aquarius'' ("mpitondra rano") ary ''Pisces'' ("trondro").
 
==== Zavatra hafa ====
[[Sary:Rose des vents antiquité.jpg|vignette|135x135px]]
Ny fanandroana dia mifandray amin-javatra hafa mety ho tsapan'ny olona toy ny loko, ny karazan-javamanana aina, ny sokajin'olona, ny toerana eo an-tanàna na ao an-trano na ivelan'ny tanàna mifanandrify amin'ny vazan-tany mbamin'ny elanelany (avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana sns.), ny [[andro]] tsirairay ao amin'ny [[herinandro]] ([[Alatsinainy]], [[Talata]], [[Alarobia]] sns.), ny fizarazaràna ny andro sy ny alina, ny akora isan-karazany ([[rano]], [[rivotra]], afo, [[vy]], tany sns.) sns.
 
Ny mpanandro isam-paritra na isam-pirenena eto amin'izao tontolo izao dia tsy voatery hampiasa ireo zavatra rehetra ireo fa mety ny ampahany aminy fotsiny. Mety hifandray amin'ny fisikidiana koa ny fanandroana.
Andalana faha-30:
Ireto ny orim-bintana amin'ny teny malagasy mifandray amin'ireo: [[Alahamady]] (''Aries''), Adaoro (''Taurus''), Adizaoza (''Gemini''), Asorotany (''Cancer''), Alahasady (''Leo''), Asombola (''Virgo''), Adimizana (''Libra''), Alakarabo (''Scorpio''), Alakaosy (''Sagittarius''), Adijady (''Capricorn''), Adalo (''Aquarius'') ary Alohotsy (''Pisces'').
 
Ny "planeta" tsirairay (isan'izany ny Volana sy ny Masoandro, izay heverin'ny mpanandro taloha ho isan'ny planeta) dia mifanandrify amin’ny eva manokana arakaraka ny toerana misy azy eo amin'ny ekliptika.
 
Samy manana ny anarany ireo vintana ireo arakaraka ny fiteny ampiasaina na ny fiteny nahazoan’ny mpanandro sy ny fiavian’ilay fananadroana. Marihina fa tsy voatery hitovy ny fotoana todroin'ny anaran'orim-bintana mitovy hevitra.
 
==== Ny torovintana ====
Ny mpanandro dia namorona kisary atao hoe horoskopa (torovintana) izay mampifandray ny toeran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra amin'ny fotoana iray, sy ny toetran'ny olona nateraka na hateraka amin'io fotoana io. Ny torovintana iray dia asehon'ny faribolana atao hoe ekliptika izay maneho ny lalana alehan'ny [[Tany]] rehefa mihodina amin'ny [[Masoandro]] mandritra ny iray taona.
 
Ny torovintana dia ahitana fizarana roa ambin'ny folo atao hoe "trano", izay maneho ny fe-potoana 24 ora mitovy amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny tenany. Mifandray amin'ny sehatra sasany momba ny fiainan'ny olona voatondro (fanambadiana, fahasalamana, asa, sns.) ny "trano" tsirairay. Ny mpanandro dia mandrafitra ny famantarany ny hoavy arakaraka ny toerana misy ireo zavatra eny amin'ny lanitra ao amin'ireo eva sy trano ao amin'ny torovintana ireo.
 
Ao amin'ny [[Gazety|gezety]] sy gazetiboky sasany dia ahitana torovintana izay tsy tena vokatry ny asan'ny mpanandro manam-pahaizana fa natao hahasarika ny mpamaky fotsiny liana amin'izany na mora mino fa afaka hatsarain'izany ny fahasalamany sy ny fiharian-kareny sns. na atao mba hahalafo an'ilay gezety na gazetiboky fotsiny.
 
== Jereo koa: ==