Fanehoan-javatra (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-22:
 
==== Fanehoan-javatra mivelatra ====
Ny [[Fanehoan-javatra mifintina sy mivelatra|fanehoan-javatra mivelatra]] dia iheverana ny ampaham-potoana isehian'ny asa na toetra lazain'ny matoanteny. Matetika mifangaro amin'ny fanehoan-javatra tsy efa ny fanehoan-javatra mivelatra ao amin'ny fiteny tsy manana marika hanavahana izany. Amin'ny teny frantsay dia ny mari-potoana lasa tsy efa (frantsay: ''imparfait'') ao amin'ny filaza tsotra no maneho izany. Ao amin'io fiteny io ihany dia misahana izany koa ny mari-potoana ankehitriny (frantsay: ''présent'') ao amin'ny filaza tsotra.
 
== Sokajin'ny endrika fanehoan-javatra ==
Andalana faha-90:
 
=== Fanehoan-javatra ara-keviteny ===
Ny matoanteny tsirairay dia mitondra fanehoan-javatra ao amin'ny hevitra maha reniteny azy izay tsy miseho ety ivelany amin'ny alalan'ny endriny. Izany no fanehoan-javatra ara-keviteny. Misy ohatra ny matoanteny manana [[Fanehoan-javatra mifetra sy tsy mifetra|fanehoan-javatra ara-keviteny mifetra]] sady misy ny matoanteny manana [[Fanehoan-javatra mifetra sy tsy mifetra|fanehoan-javatra ara-keviteny tsy mifetra]]. Ny fotoana ahafahan'ilay asa na toetra mifandraika amin'ny matoanteny no voafetra na tsy voafetra.
 
Ny entimilaza mifetra (matoanteny mifetra sns) dia entimilaza ilazana asa na toetra tsy maintsy mifarana fa ny entimilaza tsy mifetra kosa dia entimilaza izay ilazana asa na toetra tsy mitsahatra ho azy raha tsy misy hery ivelany (ny mpanao na zavatra hafa) mampitsahatra azy sady azo ampaharetina araka izay ao atao. Tsy ireo roa ireo ihany anefa ny fanehoan-javatra ara-keviteny fa misy maro hafa koa. matetika dia ny fanahoan-javatra mifintina na efa no mikambana amin'ny fanehoan-javatra mifetra fa ny mivelatra na tsy efa kosa no miaraka amin'ny tsy mifetra.