Fiendrika sy fitodika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny [[fiendrika|'''fiendrika''']] na [[Fiendrika|'''fitodika''']] dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny [[sokajin-teny]] sasany, indrindra ny [[matoanteny]] (atao entimilaza), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ny fiendrika na fitodika fantatra indrindra ao amin'ny [[fiteny]] maro dia ny fitodika mpanao na [[fiendrika mañano]] sy ny fitodika iharana na [[fiendrika anoina]]. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fitodika na [[fiendrika añanovana]] na toe-javatra. Arakaraka ny [[mpahay teny]] no anavahana na tsia ny atao hoe ''fitodika'' sy ''fiendrika''.
 
== Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ==
Andalana faha-100:
Amin'ny fiteny eoropeana sasany, toy ny fiteny frantsay, no ahitana io atao hoe [[fiendrika tampody]] io. Mitovy amin'ny fiendrika manano ihany izy nefa ahitana mpisolo tena fameno izay tsy miaraka amin'ilay matoanteny sady mitovy laharana amin'ny mpisolo tena lazaina. Ireto avy ny hevitra na fitodika mety hananan'ny matoanteny amin'ny fiendrika misy mpisolo:
 
==== Fitodika mitampodytampody ====
Ny fiteny malagasy dia mampiasa ny teny hoe ''tena'' mba hananterana ny fitampodian'izay atao amin'ny mpanao azy nafa matetika tsy ilaina iany. Ny fiteny anglisy kosa mampiasa ireto mpisolo tena ireto: ''myself'', ''yourself'', ''himself'', ''herself'', ''itself'', ''ourselves'', ''yourselves'', ''themselves'' mba handikana ny fitampodian'ny asa atao amin'ny mpanao azy.