Samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy rohy
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Samaritans marking Sukkot on Mount Gerizim, West Bank - 20051017.jpg|vignette|331x331px|Samaritana mankalaza ny fetin'ny Tabernakely (na Sokota) eo amin'ny tendrombohitra Gerizima.]]
Ny '''[[Samaritana]]''' dia vahoaka monina ao [[Isiraely|Israely]] sy Sisjordania ka ao Samaria, tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i [[Palestina]], no tany nonenan'ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin'ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho [[Jiosy]] izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny [[Israelita]] fahiny nonina tao amin'ny Fanjakan'i AvaratraIsraely tao avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak'olona vahiny tsy Israelita. Na tamin'ny andro mifanandrify amin'ny zavatra tantaraina ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] dia navakavahan'ny Jiosy ny Samaritana. Ny Fanjakan'i Israely amin'izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy.
 
Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny fivavahana jiosy azy manokana, atao hoe [[samaritanisma]], ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny [[Baiboly]] ihany (atao hoe [[Pentateoka]]), fa tsy ny [[Baiboly hebreo]] manontolo, no ekeny ho Soratra Masina. Ny tendrombohitra Gerizima no tendrombohira masina fa tsy Ii Ziona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny abidy samaritana izay tsy mitovy amin'ny [[abidy hebreo]]. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana Israeliana sy ny Samaritana Jordaniana ary ny Samaritana Palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.