Sokajin-teny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
 
=== Ny reniteny ===
Ny [[reniteny]] dia teny azo sarahina amin'ny namany ka afaka mahaleo tena sady manana hevitra mazava na dia tsy misy teny hafa milaza ny anjara asany sady tsy natao hilaza ny anjara asan'ny teny hafa koa izy. Sokajin-teny maromaro no voasokajy ho reniteny, dia ny anarana, ny mpamari-toetra, ny tambinteny, ny matoanteny, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny reniteny. Ny mampiavaka ireo teny ao amin'ity vondron-tsokajin-teny ity dia izy ireo maro dia maro, manana halava miovaova, azo foronina, azo soloan'ny mpisolo tena ny sasany aminy.
 
==== Ny anarana ====
Ny [[anarana]] dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana, na toerana na fotoana.
 
==== Ny matoanteny ====
Andalana faha-13:
 
==== Ny mpamari-toetra ====
Ny [[mpamari-toetra]] dia teny ampiraisina amin'ny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ny lazaina. Zana-tsokajin'ny mpamaritra ny mpamari-toetra.
 
==== Ny tambinteny milaza fomba ====
Ny [[tambinteny]] dia teny natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany amin'izany dia mety ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns.
 
=== Ny zanateny ===
Ny [[zanateny]] dia teny tsy azo sarahina amin'ny namany ka tsy afaka mahaleo tena sady atao hilazana ny anjara asan'ny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny.Sokajin-teny maromaro no sikajina ho reniteny, dia ny mpampitohy, ny mpampiankina, ny mpisolo, ny mpanoritra, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny sy ny hevitry ny mpahay teny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny zanateny.
 
Miavaka amin'ny reniteny ny zanateny noho izy ireo voafetra isa, sarotra miforona, miasa matetika kokoa ary manana hevitra tsy mazava tsara ny ankamaroany, tsy azo soloana amin'ny mpisolo, matetika izy ireo teny fohy, tokana anjara asa ary mifangaro amin'ny anjara asany idraindray ny anarany.
 
==== Ny mpanoritra ====
Ny [[mpanoritra]] dia teny akambana indrindraindrindra amin'ny anarana mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty fehezanteny ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina amin'io anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina amin'ilay teny ikambanany.
 
Tsy ny fiteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isan'ny zana-tsokajin'ny mpanoritra arakaraka ny fiteny.
 
==== Ny zanateny mpamaritra ====
Ny zanateny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] dia teny akambana amin'ny anarana ao tarika iray ahafahana mampiasa io anarana io ao anaty fehezanteny ka mety miaraka amin'ny fanondroana ny kilahivavy, ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny, ny filaza isa sns izy. Isan'ny zanateny mpamaritra ny mpamaritra isa, ny mpamaritra manondro, nympamaritra manontany, ny mpamaritra mampifandray, ny mpamaritra tompon-javatra.
 
==== Ny mpisolo ====
Ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] dia teny maka ny toeran'ny anarana na ny tarika anarana na ny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa. Isan'ny sokajin'ny mpisolo ny mpisolo tena, ny mpisolo manondro, ny mpisolo manontany, ny mpisolo mampifandray, ny mpisolo tompon-javatra, sns.
 
==== Ny mpampitohy ====
Ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]] dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezankevitra. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa (sady matetika mitovy sokajy) ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra ka milaza ny fifampiakinana misy eo amin'ireo fehezankevitra ireo dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra.
 
==== Ny mpampiakina ====
Ny [[mpampiankina]] dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinan'izy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny teny na fehezankevitra ampidirin'ny mpampiakina dia matetika mitana anjara asa fameno milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina amin'ny alalan'ny mpampiankina dia atao hoe mpampiankin-teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina.
 
==== Ny kianteny ====
Ny [[kianteny]] dia teny kely tsy miova endrika manana anjara asa tsy mitovy amin'ny an'ny tambinteny na ny mpampiankina na ny mpampitohy. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao amin'ny fiteny iray izay ataony hoe ''kianteny''.
 
=== Olan'ny fanasoajiana ho reniteny na zanateny ===
Andalana faha-47:
 
==== Ny tenim-piontanana ====
Ny [[tenim-piontanana]] dia teny azo ampiasaina mitokana mba hanehoana fihetseham-po (vokatry ny hafaliana, ny hatezerana, ny alahelo, ny fahatairana, ny fanaintainana sns), na hampitana hafatra amin'ny fomba tsy mampiasa teny maro (fiarahabana, fanekena, fandavana, fisalasalana, fonontaniana, baiko sns), na hakana tahaka feon-javatra (feom-biby, fipoahana sns).
 
== Ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny sasany ==