Sokajin-teny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Atao hoe '''sokajin-teny''' ny vondrona misy ireo teny afaka mifanolo hisahana [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] mitovy am-[[Fehezanteny|pehezanteny]] ao amin’ny [[fiteny]] iray. mizara roa lehibe ny teny, dia ny reniteny sy ny zanateny. Ny sokajin-teny fahita matetika dia ny [[anarana]] (oh.: ''osy''), ny [[matoanteny]] (oh.: ''mihazakazaka''), ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] (oh.: ''tsara''), ny [[tambinteny]] (oh.: ''ombieniombieny''), ny [[tenim-piontanana]] (oh.: ''indrisy''), ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] anarana (oh.: ''isika'') ary ny [[Mpampitohy (fitsipiteny)|mpampitohy]] (oh.: ''sy''). Afaka manana anjara asa hafa tsy araka ny mety mahazatra amin'ny fiteny hafa koa anefa ny teny ao amin’ny sokajy iray, ohatra ny matoanteny dia azo atao [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] (oh.: ''Tsara <u>ny mihazakazaka</u>'') ka mety mahasarotra ny fanasokajiana izany.
 
== Ireo sokajin-teny fahita matetika ==
 
=== Ny reniteny ===
Ny reniteny dia teny azo sarahina amin'ny namany ka afaka mahaleo tena sady manana hevitra mazava na dia tsy misy teny hafa milaza ny anjara asany sady tsy natao hilaza ny anjara asan'ny teny hafa koa izy. Sokajin-teny maromaro no voasokajy ho reniteny, dia ny anarana, ny mpamari-toetra, ny tambinteny, ny matoanteny, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny reniteny.
 
==== Ny anarana ====
Ny anarana dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana, na toerana na fotoana.
 
==== Ny matoanteny ====
Ny matoanteny dia teny ampiasaina ao amin'ny fehezanteny na fehezankevitra hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho fotoana, fiendrika, filaza, fanehoan-javatra sns.
 
==== Ny mpamari-toetra ====
Ny mpamari-toetra dia teny ampiraisina amin'ny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ny lazaina. Zana-tsokajin'ny mpamaritra ny mpamari-toetra.
 
==== Ny tambinteny milaza fomba ====
Ny tambinteny dia teny natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany amin'izany dia mety ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns.
 
=== Ny zanateny ===
Ny zanateny dia teny tsy azo sarahina amin'ny namany ka tsy afaka mahaleo tena sady atao hilazana ny anjara asan'ny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny.Sokajin-teny maromaro no sikajina ho reniteny, dia ny mpampitohy, ny mpampiankina, ny mpisolo, ny mpanoritra, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny sy ny hevitry ny mpahay teny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny zanateny.
 
==== Ny mpanoritra ====
Ny mpanoritra dia teny ambana indrindraindrindra amin'ny anarana mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty fehezanteny ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina amin'io anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina amin'ilay teny ikambanany.
 
Tsy ny fiteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isan'ny zana-tsokajin'ny mpanoritra arakaraka ny fiteny.
 
==== Ny zanateny mpamaritra ====
 
==== Ny mpisolo ====
Ny '''mpisolo''' dia teny maka ny toeran'ny anarana na ny tarika anarana na ny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa. Isan'ny sokajin'ny mpisolo ny mpisolo tena, ny mpisolo manondro, ny mpisolo manontany, ny mpisolo mampifandray, ny mpisolo tompon-javatra, sns.
 
==== Ny mpampitohy ====
Ny mpampitohy dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezankevitra. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa (sady matetika mitovy sokajy) ao amin'ny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra ka milaza ny fifampiakinana misy eo amin'ireo fehezankevitra ireo dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra.
 
==== Ny mpampiakina ====
Ny mpampiankina dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinan'izy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny teny na fehezankevitra ampidirin'ny mpampiakina dia matetika mitana anjara asa fameno milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina amin'ny alalan'ny mpampiankina dia atao hoe mpampiankin-teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina.
 
==== Ny kianteny ====
Ny kianteny dia teny kely tsy miova endrika manana anjara asa tsy mitovy amin'ny an'ny tambinteny na ny mpampiankina na ny mpampitohy. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao amin'ny fiteny iray izay ataony hoe ''kianteny''.
 
==== Ny tenim-piontanana ====
Ny tenim-piontanana dia teny azo ampiasaina mitokana mba hanehoana fihetseham-po (vokatry ny hafaliana, ny hatezerana, ny alahelo, ny fahatairana, ny fanaintainana sns), na hampitana hafatra amin'ny fomba tsy mampiasa teny maro (fiarahabana, fanekena, fandavana, fisalasalana, fonontaniana, baiko sns), na hakana tahaka feon-javatra (feom-biby, fipoahana sns).
 
=== Olan'ny fanasoajiana ho reniteny na zanateny ===
 
== Ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny sasany ==